Tranga

Jly Mamelison Mbina Nonos : « Aoka hanohy ny asany ny zandary»

Miantso ireo zandary rehetra manerana ny Nosy tsy ho mora handairan’ny tsaho miely ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena (COMGN), ny Jly Mamelison Mbina Nonos, omaly. Laharam-pahamehana ny fanohizana ny asa. Manoloana ny fanambarana maro samihafa eny anivon’ny tambajotran-tserasera, naneho ny heviny ary nisarika ireo zan­dary rehetra manerana ny Nosy, ny COMGN, ny […]

Fifampikasohan’ny herinaratra : Trano enina may lasa lavenona

Nitrangana haintrano tany Mahavelokely, Fenoarivo Atsi­nanana, afakomaly hariva, tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany. Nitranga tao amin’ny parcelle fahatelo teo akaikin’ny renirano Marokiso, Fenoa­rivo Atsinanana ny tranga. May kilan’ny afo nandritra izany, ny trano hazo maro sy trano vita amin’ny biriky miisa enina. May kila sy lasa lavenona niaraka […]

Mampiahiahy : Vehivavy hita faty teny amoron-dranomasina

Niosim-pasika ny faritry ny tarehin’ny vehivavy iray hita faty amoron-dranomasina, tao Anosindafaza, fokontany Analamalotra, kaominina ambanivohitra Antetezambaro, afakomaly hariva. Niala ny trano fonenany ny marain’ny andro alatsinainy lasa teo, ity vehivavy ity. Tsy niverina nody izy ny atoandro. Niandry azy ireo fianakaviany saingy tsy hita ny nanjavonan’ilay renim-pianakaviana. « Niala tao […]

Notakina 50 tapitrisa Ar : Ramatoa natao takalonaina avotry ny zandary

Avotry ny zandary avy any Mahajanga sy avy ao Ankazomborona ny renim-pianakaviana nataon’ny jiolahy takalonaina. Nokasain’ireo olon-dratsy natakalo vola mitentina 50 tapitrisa Ariary izy. Voasambotry ny zandary ny zoma lasa teo, ny sasany tamin’ireo jiolahy tompon’antoka amin’ny resaka fakana an-keriny ra­matoa iray, tany amin’ny kaominina ambanivohitra Anka­zomborona Amboromalandy, distrikan’i Marovoay. […]