Tranga

Nitaky 10 tapitrisa Ar: Naiditra am-ponja ireo mpaka an-keriny miisa telo

Notanana vonjimaika any am-ponja, ny alin’ny alakamisy 17 jolay, ilay serza sy adjidà niampy vehivavy niray tsikombakomba, tamin’ny fakana an-keriny tao Ankadikely Ilafy. Nikasa hahazo vola mi­te­tina 10 tapitrisa Ar tamin’ny rangahy izay vadin’ilay ramatoa nataony takalonaina izy ireo kinanjo tra-tehaky ny mpitandro filaminana. Nalain’ireo tsy mataho-tody tao amin’ny trano […]

Fanapoizinana teny Ambohimalaza  : Mihenjana ny fianakaviana, mifamotika ny politisianina

35 andro katroka androany ilay “Anniversaire mainty”, teny Ambohimalaza. Olona 31 no maty. Tsy hita ny tena marina. Mihenjana ny fianakaviana. Mivadika ho fifamotehan’ny politisianina ilay tranga.  Tsy hilefitra vokatry ny fa­moizana ny ain-janany sy havany nateraky ny so­tasotan’ny hafa, taorian’ny fa­napoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza, iray volana aty aorian’ny tranga, […]

Saropody – Tanjombato: Efa-dahy nitam-basy nandroba 1 tapitrisa Ar

Niditra an-keriny tao amin’ ny tokantrano iray manamorona ny lalamby teny Saropody, Tanjombato, ny alin’ny talata 15 jolay teo, tamin’ny 11 ora sy sasany ireo olon-dratsy. Ni­lanja fitaovam-piadiana, tsy nisy nisaron-tava izy ireo. Ni­taky ny vola tao an-trano sy nangorona ny entana sarobidy toy ny fahitalavitra. Niezaka nanda ny tompon-trano […]

Arivonimamo : Olona nodorana hita faty

Ny sisan’akanjo tsy may toy ny « Tee-shirt », hany sisa namantaran’ny fianakaviany, ny raim-pianakaviana hita faty tao amin’ny fokontany Morafeno, kaominina Arivonimamo, omaly. Mpiandry omby nandalo vao maraina no nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa tao anaty lava-pako. Nampandre avy hatrany ny lehiben’ny fokontany izy. Nojerena, kinanjo fatin’olona efa simban’ny afo ity nisy nanary […]