Tsy mety fay mihitsy! Vao afakomaly no nisy ilay lehilahy nisandoka ho kaomisera, nipoitra ihany koa ity lehilahy nisandoka ho manamboninahitra mitondra ny galona kaomandà miasa ao amin’ny Capsat ity. Efa indroa nigadra tao amin’ny fonjan’Antanimora izy noho io fisolokiany io. Ny 19 avrily 2024 lasa teo, nahazo angom-baovao ny […]
Tranga
Nodomin’ny taxi-be : mpitondra moto voa teo amin’ny lohany
Karohin’ny zandary ny mpamily taxi-be mampitohy an’Ivato sy Vassacoss izay nandona olona teny amin’ny sampanan’Ambohimanga Rova, afakomaly hariva. Nifaoka mpitondra moto iray io fiara io, ny alahady 21 avrily teo, tamin’ny 7 ora hariva. Nirifatra nandositra nanohy ny diany tao anatin’ny haizina io fiara nahavanon-doza io. Tetsy ankilany, nidaraboka tamin’ny […]
Ambohidratrimo : Sinoa hita faty teo am-pandriana
Hita faty tao an’efitrano fatoriany, ao amin’ny orinasa iray eny Antanety, fokontany Amboasary, kaominina ambanivohitr’ Iarinarivo, distrikan’Ambohidratrimo, omaly, ny teratany sinoa iray 39 taona. Raha ny tatitra nampitain’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ambohidratrimo, nahazo fampitam-baovao momba ny fisian’io teratany sinoa hita faty io ny zandary, omaly tamin’ny 7 ora sy […]
« Opération Harato II » : dahalo mpaka an-keriny lavon’ny zandary
Maty voatifitry ny zandary ny dahalo raindahiny amin’ny halatra omby sy fakana an-keriny tao Amparihikapika, 7 km avaratra andrefan’ny fokontany Ambohidahy, kaominina Morafeno, distrikan’i Maevatanana, ny 14 avrily teo. Nokarohina nanomboka ny taona 2021, i Gué. Naharay fampahafantarana avy tamin’ny tsara sitrapo ny mpitandro filaminana fa mihaodihaody tao Ikelimahavoky io […]
Ankadinandriana : dimy lahy mpangalatra omby voasambotra
Tratra tao an-trano fonenany ny lehilahy iray tompon’ antoka tamin’ny halatra omby, tao Ambohinonoka, fokontany Soamonina, kaominina Ankadinandriana, ny 18 avrily teo. Nahatraran’ny mpitandro filaminana nofon-kenan’omby roa gony nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka, tao Ankadimbazimba, kaominina Alarobia Ambatomanga, ny herinandro lasa teo. Nisy nangalatra ny ombin-tsarety ka taolany sisa navelan’ireo […]