Maty nokofonina tamin’ny “big boss”, teny Mahitsy, ny mpitondra taxi-moto iray. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ireo roa lahy ahina ho namono azy. Voasambotra tao Soavimasoandro, ny talata 5 marsa lasa teo, ireo roa lahy namono mpanao taxi-moto iray. Nahita sera, nitondra olona tany Mahitsy ilay tovolahy vao 24 taona. […]
Tranga
Nandritra ny telo taona: tratra ilay rangahibe nanolana ny zanany vavy
Io indray koa! Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahadimy (CSP5) Mahamasina, teny Anosizato Atsinanana, omaly, ny rangahibe iray 63 taona nanolana ny zanany vavy. Ny mpiara-monina aminy eo Anosizato no nampandre ny polisy momba ny fisian’io rangahibe manao fihetsika feno habibiana amin’ny zanany vavy 18 taona io. Tonga […]
Beraketa: Karandalana nivadika, maro ny naratra
Nitrangana lozam-piarakodia indray teny amin’ny lalam-pirenena RN 13, tao amin’ny kaominina Beraketa, distrikan’i Bekily, omaly tamin’ny 3 ora maraina. Karandalana iray hihazo an’i Taolagnaro no niharan-doza tampoka teny am-pandehanana. Maro ireo mpandeha naratra saingy tsy nisy kosa ny aina nafoy. Raha ny fanazavan’ny mpamily, araka ny tatitra nampitain’ny zandary, noho […]
Nampangain’ny kodiarana : maty voatifitra ny iray tamin’ireo jiolahy mpamaky fiara
Lavon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Sabotsy Namehana, omaly tamin’ny 2 ora maraina, ny iray tamin’ireo jiolahy tompon’antoka tamina famakiana fiara narahina halatra. Nahazo antso tamin’ny finday ny kaomandin’ny tobim-paritra nampilaza fa misy andian-dehilahy mampiahiahy mitondra fiara eny Ambohinaorina, kaominina Sabotsy Namehana, tamin’io fotoana io. Fotoana fohy taorian’ny antso, tonga […]
Tsy mety fay: mpanolana naiditra am-ponja eny Tsiafahy
Nidoboka am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, afakomaly, manampy an’i Dawilly, ny jiolahy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanolanana ankizivavy kely 6 taona tao Ampary, distrikan’i Soavinandriana. Naharay fitarainana ny polisy ao amin’ny kaomisarian’i Soavinandriana momba ny fisiana lehilahy iray 21 taona nanao fihetsika feno habibiana tamina ankizivavy kely iray […]