Tranga

Quartier Cannibale :Tratra ireo jiolahy namono nahafaty teratany vahiny

Saron’ny polisy, afakomaly, ireo jiolahy roa tompon’antoka tamina fanendahana teratany vahiny teny Tanjombato. Notrobaran’ireo olon-dratsy ny antsy ny kibony ka nitarika ny fahafatesany… Voasambotry ny polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika fahadimy (BC5) teny Tanjom­bato, Quartier Cannibale, afakomaly, ireo jiolahy roa voarohirohy ho tompon’antoka tamina vonoan’olona feno habibiana. Raha ny […]

Toamasina : Jiolahy roa lahy rotiky ny bala

Nirefodrefotra ny basy! Lavon’ny polisin’ny UIR nanao fisafoana alina ny jiolahy roa lahy nandray anjara tamin’ny fandrobana mpandeha posy tao Tanambao Toamasina, omaly. Norobain’ny jiolahy efa-dahy ny mpandeha posy iray tao Mangarivotra, tamin’ny 2 ora maraina. Nitsoaka nanao tongotra an-katoka ireo mpandroba taorian’izay. Nifanakaiky ny biraon’ny polisy io toerana io […]

Andohatapenaka : telo lahy nitam-piadiana lavo

Nifanenjehan’ny polisy, maty voatifitra ny jiolahy iray anisan’ireo nangalatra moto teo Andriantany, lalana mihazo an’i Mahitsy, omaly. Mpitandro filaminana avy eo anivon’ny BC1 no nahatsikaritra ny fandrobana nataon’ny jiolahy telo lahy. Nosakanan’ireo jiolahy ireo ny lehilahy iray nitondra moto teny amin’ny faritra Andohatapenaka. Nalain’izy ireo ny moto nentin’io mpandalo io. […]

Fanafihana mahery vaika : Olona 4 natao takalonaina

Lasan’ny dahalo mitam-piadiana ny vehivavy roa sy ny lehilahy roa tao Brieville, Tsaratanàna, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy 29 febroary teo. Nentin’ny dahalo nirongo fitaovam-piadiana ma­hery vaika an-keriny ny vehivavy roa sy lehilahy roa tao amin’ny fokontany Tom­bo­katsy, kaominina Brieville, distrikan’i Tsaratànana, afakomaly alina. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray, […]