Dahalo maherin’ny 20 lahy nitam-piadiana naka takalonaina tao Anjozorobe, afakomaly alina. Olona telo nalain’izy ireo ka ankizivavy ny iray. Tsy mety tapitra, ankizivavy sy renim-pianakaviana iray 32 taona niampy lehilahy iray indray nalain’ny dahalo an-keriny tao Fieferana, akaikin’ Antanandava, kaominina Marovazaha, distrika Anjozorobe, afakomaly alina. Nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, maherin’ny […]
Tranga
Voatondro ho mpangalatra : lehilahy matin’ny fitsaram-bahoaka
Lehilahy iray nangalatra matin’ny fitsaram-bahoaka tao Analamanga, fokontany Ankiririky avaratra, kaominina Antsohihy, afakomaly alina. Nokarohin’ny andrimasom-pokonolona tao amin’ny trano voalaza ho fonenany io lehilahy io. Niafina tao ambany fandriana izy ka nasaina nivoaka hifampiresahana milamina. Teo am-panatontosana ny resaka, naka antsy lavalela tampoka izy. Nokasaina hofiraina tamin’ny antsy ireo tovolahy […]
Vehivavy voaroba: mirongatra ny fanendahana any anaty taxi-be
Mirongatra indray, tato ho ato, ny fanendahana anaty taxi-be ataon’ny jiolahy. Renim-pianakaviana iray very vola 6 hetsy Ar tao anaty poketra teny Ampasampito, omaly atoandro. Mody mitankisina sy miresaka amin’ny finday ireo olon-dratsy… Horakoraka, ranomaso…io sisa no azon’ny renim-pianakaviana iray natao vokatry ny asan-jiolahy tao anatina taxi-be iray teny Ampasampito, […]
Vao nivoaka ny fonja: maty voatifitry ny zandary i Mainty
Tsy mety fay mihitsy! Vao nivoaka ny fonja ny faran’ny volana marsa teo, niverina nanohy ny asa ratsiny indray i Mainty. Lavon’ny balan’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra (PA) Ankadindravola teny Ivato, afakomaly, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana, fantatra amin’ny anarana hoe i Mainty. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny […]
Disadisam-pianakaviana : vehivavy novonoina tovolahy iray
Natolotra ny fampanoavana omaly ka naiditra vonjimaika any am-ponja ao amin’ny fonjan’Antsirabe ny tovolahy iray vao 22 taona, tompon’antoka tamina vonoan’olona feno habibiana tao Ibity. Nahazo fampitam-baovao avy amin’ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Ibity ny lehiben’ny zana-tobim-paritra Ibity fa misy olona hita faty ao Mandrava, fokontany Mananjara, Ibity. Nidina ifotony ny […]