Tranga

Andravoahangy: jiolahy maty voatifitry ny polisy

Fanafihana tsy tontosa! Lavon’ny balan’ny polisy ny jiolahy iray tetsy amin’ny tsenan’ Andravoahangy, afakomaly. Telo lahy nikasa hanafika trano fivarotana nifanenjehan’ ny mpitandro filaminana teny Andravoahangy, afakomaly. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy sy antsy ireo olon-dratsy ireo, ny atoandron’ny alatsinainy teo. Niditra amin’ny faritry ny tsena izy telo […]

Miray tendro amin’ny dahalo: Ben’ny Tanàna, maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny zandary teny am-pitsoahana tao Bemanonga, omaly, ny ben’ny Tanàna iray ao amin’ny distrikan’ i Belo sur Tsiribihina, sy ny dahalo iray namany. Voalaza fa mpiray tendro amin’ny dahalo sady mpamatsy fitaovam-piadiana izy. Tratran’ny Jamà, kara­main’ny fokonolona miasa ao Tsimafana, tao Ankaraobato, kaominina am­banivohitr’i Tsimafana ny dahalo raindahiny amin’ny […]

Morondava: tratra ny jiolahy nanafika sinoa mpandraharaha

Saron’ny polisy ny jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana teratany sinoa mpandraharaha tao Nosikely Moron­dava, ny sabotsy 10 febroary 2024 lasa teo. Nisy trangana fanafihana tao amina tokantrano iray ao Nosikely. Jiolahy telo niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana no voalaza fa niditra an-keriny tao an-tranon’io teratany sinoa io. Nahazo ny angom-baovao rehetra momba izany […]

Nanota fady : olona natelin’ny rano­masina tao Toamasina

Raim-pianakaviana 58 taona no natelin’ny ranomasina tao Toamasina, ny sabotsy teo. Mbola tsy nipoitra avy ao anaty rano ity niharam-boina ity taorian’ny fikarohana nataon’i Lalaina zanadrano, ilay tovolahy mpisitrika manavotra olona natelin’ny ranomasina. Ireo mpaka sary eny amoron-dranomasina no na­hatsikaritra entan’olona mipetraka eo amoron-dranomasina ka samy nifanontany teo. Sakaosy niaraka […]

Herisetra amim-behivavy : voasambotra ilay lehilahy namono ny vadiny

Naratra mafy vokatry ny daroka sy vono nataom-badiny ny vehivavy iray tetsy Ankaraobato. Tratran’ny mpitandro filaminana ilay lehilahy nahavanon-doza. Mirongatra tato ho ato ny fifampikasihan-ta­nana ataon’ny samy mpivady. Lehilahy iray indray no voasambotra tao amin’ny fokontany Ambodivoanjo, kaominina Ankaraobato, afakomaly maraina. Nidaroka sady nandratra ny vadiny, notanan’ny mpitandro filaminana ny raim-pianakaviana iray. Naharay loharanom-baovao […]