Tranga

Fipoahana mahery vaika : lehilahy roa maty tsy tra-drano

Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana roa, omaly atoandro. Nisy fipoahana mahery vaika tao an-tranon’izy ireo. Potika tanteraka ny tongotry ny iray, rotidrotika ny vatan’ny namany. Zava-doza no nitranga tao amin’ny tokantrano iray, teny Marovohitra, kaominina Sam­baina, distrikan’i Manjakan­driana, omaly. Nisy zavatra nirefotra mafy be, fipoahana nampiahiahy. Vokany, lehilahy roa maty […]

Naolana sy notapahin-doha : nataon’ny mpimasy sorona i Nathalie

Nataon’ny mpimasy sorona i Nathalie. Ilay razana tsisy loha nariana teny Faravohitra, tamin’ny talata maraina. Ny ampitson’io, hita tao anaty dabam-pako ny lohany. Mitantara ny reniny… Mampivarahontsana ! Novetavetaina avy eo notapahina tamin’ny antsibe ny lohan’i Fifaliana Nathalie Thérèse na i Zazah. Tovovavikely vao 14 taona, nalain’ny mpimasy an-keriny ny alahady […]

efa namono olona valo : lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka

Mahazo vahana indray, tato ho ato, ny fitsaram-bahoaka ao amin’ny faritra Atsi­na­nana. Ny alatsinainy 15 janoary 2024 teo, telo lahy matin’ny fitsaram-bahoaka tamin’iny lalam-pirenena faha-11A iny. Omaly, jiolahy iray indray no niharan’izany tao Tanambao Verrerie Toama­sina, raha roa hafa naratra mafy tao Anki­ri­hiry. Avotra izy roa lahy ireto satria haingana […]

Antanetibe Mahazaza : mpamaky fasana lavon’ny zandary

Lavon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Mahitsy, omaly, ny roa tamin’ireo efa-dahy nangalatra taolam-paty. Efa-dahy niloloha gony no nifanehatra tamin’ireo zandary mpanao fisafoana tao Ambohidranomanga, kaominina Antanetibe Mahazaza. Nirifitra nitsoaka avy hatrany izy ireo rehefa nanaraka ny zandary. Nitsoaka niaraka tamin’ny gonibe ireto farany saingy tsy namelan’ny zandary fa tsy […]

Ambohibao-Ambohidratrimo: loham-behivavy tao anaty dabam-pako

Zava-doza! Nisy nanary tao anaty dabam-pako, teny Morondava Antehiroka, ny loham-behivavy iray. Nahitana karandohan’olona hafa koa teny Soamananety. Samy etsy amin’ny distrikan’Ambohidratrimo ireo. Loham-behivavy iray hita tao anaty daba fanariam-pako, tao amin’ny fokontany Morondava, kaominina Ambohibao Antehiroka, oma­ly. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra ny fisian-javatra hafahafa. Rehefa nojeren’izy ireo, lohan’olona […]