Tranga hafakely ity niseho tao amin’ny kaominina Miarinarivo, distrikan’Andilamena ity. Ny alahady 18 desambra teo. Niady ny lalao famarana ny zanaky ny betsileo sy ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Resy teo anatrehan’ny zanaky ny Betsileo ny mpifanandrina aminy ka tsy nahazaka. Minitra vitsy tsy hataperan’ny lalao, nodakan’ny mpitandro filaminana ny […]
Tranga
Notambazana “biscuits”: sady voaolana no bevohoka ilay ankizivavikely
Niakatra fampanoavana ny alakamisy ka notazonina vonjimaika ao amin’ny fonjan’i Tolagnaro ilay lehilahy 46 taona, voatondro ho nanolana sy nahabevoka ankizivavikely 12 taona. Voasambotra ny talata teo, rehefa nanao ny asa ratsiny nandritra ny herintaona. Ny 15 desambra teo,raha iverenana ny zava-nitranga, efa alina vao niditra ny trano ilay ankizivavikely […]
Vondrozo: tafaverina ireo omby nalain’ny dahalo
Avotry ny zandary sy ny fokonolona ireo omby roa nalain’ny dahalo tao Ambohimahasoa fokontany Ifoitry, kaominina Anandravy, distrikan’i Vondrozo, ny alatsinainy teo. Vantany vao lasan’ireo dahalo ny omby, nampandre ny zandary ny tompony. Nanao ny fanarahan-dia arak’izany ny fokonolona sy ny zandary roalahy. Nifanehatra tao amin’ny fokontany Mangaikarea, kaominina Andoharano […]
Lozam-pifamoivoizana: fatin-dehilahy nitsirara teo amin’ny arabe
Vao mangirandratsy, hitan’ny fokonolona teo afovoan’ny arabe anatin’ny lalam-pirenena faha-12 , PK 145 + 200, teo amin’ny fokontany Antanifotsy, kaominina Vohitsindry, distrikan’i Vohipeno, ny fatin-dehilahy nihosin-dra, afakomaly. Olona sendra nandalo tokony ho tamin’ny 06 ora maraina no nampandre ny polisy ao an-toerana. Nidina nanao ny fizahana ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana. […]
Hazo nidaraboka: vehivavy iray maty, telo naratra
Namoy ny ainy teny amin’ny hopitaly Mahanoro, ilay ramatoa 40 taona, mpivarotra amoron-dalana, nilatsahan-kazo omaly tao Bazar Be Mahanoro, ampitan’ny biraon’ny polisy. Tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany maraina teo, tsy nisy nanampo ny rehetra. Nidaraboka tampoka ilay hazo ka nidoboka tamina ramatoa mpivaro-trondro teo an-toerana. Lehilahy iray naka […]




