Maty teo no ho eo ny lehilahy iray voafaokan’ny kamiao lehibe nandalo teo amin’ny RN7, Pk 401 +400 teo Ankapila, fokontany Sendrinalina, kaominina Ialananindro, distrikan’i Lalangina, ny 19 desambra teo. Nahita ity fiarabe nandalo, noheverin’ny mpamily handeha toy ny olona rehetra ilay lehilahy. Kinanjo, nitsambikina tampoka tao ambany kodiarana. Vokany, […]
Tranga
Haintrano : Rangahy 86 taona maty sempotra tanaty “baignoire”
Maty irery, sempotra niafina tao anaty “baignoire” ny rangahibe iray. May ny trano nisy azy mivady tetsy Ambatomaro, ny talata alina teo. Tranga mampalahelo. Namoy ny ainy tao anaty “baignoire”, ilay rangahibe 86 taona, monina etsy Ambatomaro. May ny trano lehibe iray misy rihana roa nipetrahany ka nandeha niafina nanavotr’aina […]
Behoririka: Jiolahy tratra teny ambony tafona tranombarotra
Tazonina eny amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo Antaninandro (CSP3) ilay jiolahy tratra teo ambony tafona tranombarotra iray, eny Behoririka, omaly tamin’ny 2 ora maraina. Ireo polisy nanao fisafoana tamin’iny faritra iny no nahita azy teo ambony tafon-trano, ary tsy afa-nandositra intsony izy ka noraisim-potsiny teo. Tratra teny aminy ny gony iray […]
Ankaramena : mpangalatra taolam-paty sy zaza varira tratra
Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Taolagnaro, tao amin’ny kaominina ambanivohitr’Ankaramena, afakomaly, ny andian-jiolahy voarohirohy amina raharaha vaky fasana narahina halatra sy fivarotana taolam-paty. Raha ny angom-baovao voaray avy amin’ny polisy, nahazo loharanom-baovao izy ireo momba ny fisiana andian’olona mpanao trafikana taolam-paty ao amin’ity tanàna ity. Nametraka ny paikady […]
Tratra i Ledada : nanaparitaka Vola sandoka 1 tapitrisa Ar
Sarona teny amin’i Ledada ny vola sandoka mitentina 1 740 000 Ar, tao Ambalamahatsara, kaominina Ambovombe-Centre, distrikan’i Manandriana, ny alahady teo. Nahazo loharanom-baovao ny zandary fa misy olona manaparitaka vola sandoka ao amin’ny kariera iray ao Ambalamahatsara. Nanao fitsirihana avy hatrany ny mpitandro filaminana ka nosamborina ny tompon’antoka. Tra-tehaka tamin’izany i Ledada. Nosavaina […]




