Nosavoritahan’ireo jiolahy ny fasana, lasany ny toalam-paty 24 tao atsimon’ny tanànan’Ikivaho, kaominina Fitampito, distrikan’Ikalamavony, ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy teo. Naharay antso ny zandary tao amin’ny borigadin’i Fitampito . Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny roalahy. Efa nisokatra ny fasana izay hita fa nosavoritahan’ny jiolahy. Natao ny fitsirihana ny tao […]
Tranga
CNLS-Sida: misy fanodinkodinam-bola, hitsirika ny IGE
Misy tsy mazava ary tsy mangarahara. Anisan’ny nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo ny handefasana ny mpisafondraharaham-panjakana “Inspection Générale d’Etat – IGE” hanao fanadihadiana ny eo anivon’ny Fandrindrana ny ady atao amin’ny Sida (CNLS). Hentitra ny filoha Rajoelina Andry tamin’izany fa tsy maintsy tanterahina anaty fotoana fohy izany fanadihadiana […]
Orambe sy lalan-dratsy: fiarabe mpitatitra olona lasan’ny rano
Mikija ny orana any atsimon’ny Nosy. Sady miakatra ny rano no tapaka ny lalana ka anjatony ny fiara mihitsoka. Tra-doza ny fiarabe mpitatitra olona avy aty Antananarivo hihazo an’i Taolagnaro, omaly, tao Ianabinda. Tapaka nandritra ny ora maro ny lalana ao Betroka hatramin’ny omaly alina, vokatry ny oram-be nikija afakomaly […]
Andranovorivato : miaramila mamo nanary fitaovam-piadiana
Tsy hita ny fitaovan’ny miaramila tao amin’ny DAS avy ao Akondro, kaominina ambanivohitra Andranovorivato, distrikan’i Vohibato, ny 19 desambra teo. Nahazo 36 ora tsy hiasana, nikasa hody, namonjy ny vady aman-janany ny miaramila iray. Niandraikitra ireo fitaovana ireo, araka izany, izy. Mamo anefa io miaramila io rehefa niaraka tamin’ny havany […]
Fifandonana mahery vaika : dahalo roa lahy rotiky ny bala, tafaverina ny omby halatra
Tsy an-kitsitsy! Lavon’ ny zandary nanao fanarahan-dia ny roa tamin’ireo dahalo nangalatr’omby tao Ambohidratrimo, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia teo. Nangalatra omby miisa 15, nirongo fitaovam-piadiana ka nampihorohoro ny iray tanàna ireo dahalo. Nampandre avy hatrany ny zandary ao an-toerana ny solontenan’ny mponina. Raikitra ny fanarahan-dia niarahan’ny fokonolona sy […]




