Taorian’ilay savorovoro tao amin’ny kariera Sahantona, kaominina Andohajango, distrika Mandritsara, ny zoma teo. Ankehitriny, olona 10 no voasambotry ny mpitandro filaminana, roa tamin’ireo kosa no mponina avy ao an-toerana. Mbola misy ny karohina momba ity raharaha ity, hoy ny zandarimaria. Maro ihany koa ireo foko antandroy namonjy fodiana taorian’ny korontana. […]
Tranga
Vangaindrano : mpangala-gisa niharan’ny fitsaram-bahoaka
Nitondra gisa tao anaty gony, nifanotofan’ny fokonolona nodarohina ka naratra mafy ny mpangalatra iray tao Karoaka fokontany Manombo, tao Vangaindrano, ny zoma lasa teo. Tamin’ny telo ora maraina, raikitra ny fanenjehana ny jiolahy mpamaky trano sy fisoko. Lasa tamin’izany ny gisa telo sy akoho iray. Nafatony tao antin’ilay gony ireto […]
Toamasina : jiolahy iray nikasa handositra voatifitry ny polisy
Nirefodrefotra indray ny basy ! Lavo ny jiolahy iray tao amin’ny fokontany Ambodimandresy, kominina ambanivohitra Sandahatra, disitrikan’ i Toamasina II, ny marain’ny alatsinainy. Efa nokarohina hatry ny ela, ity jiolahy ity. Raha ny angom-baovao, nitrangana halatra sy vaky trano tao an-toerana ny alin’ny asabotsy hifoha ny alahady. Very ny vola 3 […]
Hamangy ny sakaizany : lehilahy voadaroka
Namoy ny ainy vokatry ny ratra nahazo azy teo amin’ny lohany sy ny tanany ny raim-pianakaviana iray tao Antsenavolo anatin’ny faritra Atsimo-atsinanana; ny alin’ny asabotsy hifoha ny alahady teo.Naharay antso tamin’ny mpitsabo tao amin’ny hopitaly Antsenavolo ny zandary lehiben’ny tobim-paritra fa misy lehilahy iray naterin’ny namany ao amin’izy ireo. Vaky […]
Avy niandry faty : lehilahy maty voatsatok’antsy
Namoy ny ainy irery tetsy Andohalo ilay raim-pianakaviana 41 taona voatsindron’antsy, ny zoma alina teo. Avy niandry faty teny Itaosy niaraka tamin’ny fianakaviana izy no nifanehitra tamin’ireo jiolahy. Voaroba ny vola rehetra teny aminy sy ny findainy. Mbola tsy namelan’ireo mpanendaka koa ny ainy raha tsy latsaka. “Mamo izy rehefa […]




