Tranga

Fanafihana mitam-piadiana : lasan’ny jiolahy ny vola tapa-gony

Tao anatin’ny iray volana, mirongatra ny fanafihana mitam-piadiana mahery vaika ataon’ny jiolahy any Vato­mandry. Lasibatra ny tsena iray any an-toerana ny alatsinainy tamin’ny 6 ora sasany hariva teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tsena iray ao amin’ny kaominina ambanivohitra Tsarasambo, distrikan’ i Vatomandry, ireo olon-dratsy. Norahonany ny Ramatoa tom­pon-tsena, nambanany tamin’ny […]

Famatsiana rongony : telo vavy sarona

Tra-tehaky ny polisy tetsy Iavoloha ireo telo vavy isan’ireo mpamatsy rongony eto an-drenivohitra. Nisy ny angom-baovao voarain’ny mpitandro filaminana mombana fiara taksiborosy avy any atsimon’ny Nosy nitondra zava-mahadomelina. Ny alatsinainy teo, narahi-maso avy hatrany ilay fiara ka tratra teo Iavoloha, tokony ho tamin’ny 06 ora maraina. Araka izany hita teny […]

Taksiborosy niharan-doza : mpandeha efatra namoy ny ainy teny amin’ny RN4 sy RN7

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray tamin’ny lalam-pirenena fahefatra sy fahafito, ny alin’ny talata hifoha alarobia teo. Mpandeha efatra mianadahy maty tamin’izany. Maty vokatry ny ratra mafy nahazo azy ny vehivavy sy ny lehilahy iray tao anatin’ny taksiborosy iray tra-doza mampitohy an’Antananarivo sy Toliara, teo amin’ny RN7 PK 715+850 teo amin’ny fokontany […]

Vono olona-Andohalo: mpiandry « parking » efa nigadra, voasambotra

Niakatra fampanoavana, omaly, ny raharaha momba ilay vono olona teny Andoha­lo, ny asabotsy teo. Voasam­botra ny andron’io ihany ilay voatondro ho nahavanon-doza. Tratra teo amin’ny toeram-piasany tsy lavitra ny nahitana ilay vatana mangatsiaka izy. Efa nigadra teny Antanimora ity lehilahy 45 taona ity. Ratsy fitondran-tena izy ary efa ikoizan’ny mponina […]

Mifoka sy mivarotra: mpanao trafikana héroïne dimy tratra

Naiditra am-ponja afakomaly rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ireo dimy mi­anadahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina mahery vaika (héroïne). Voasambotry ny polisy mi­sahana ny ady amin’ny fi­paritahan’ny zava-mahadomelina, ny 9 desambra 2022, izy ireo. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, tratra teny Ankasina 67 ha ny telo. Tsi­ka­ritr’ireo polisy […]