Tranga

Nanafika tokantrano: jiolahy telo maty voatora-bato sy voakapa famaky

Tokantrano iray tany Antsirabe II, ao amin’ny fokontany Mahatsinjo, kaominina Ambohitsimanova, no voatafiky ny jiolahy ny zoma tamin’ny 12 ora alina teo. Nampandre ny zandary ao Ambohidranandriana ny fokonolona avy eo ka raikitra ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny zandary. Nisy ny fanakanan-dalana notarihin’ny CB ao Andranomadio tamin’izany. Nitsoaka avy hatrany izy […]

Ikalamavony : Basy roa nate­rina teny amin’ny zandary

Mitohy ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana. Nate­rin’ny olon-tsotra teny amin’ny kaompania Ikala­ma­vony, ny Basy roa efa tsy manan-tompo, ny faran’ny herinandro teo. Nanao fanentanana ireo olona minia mi­tam-piadiana tsy manara-dalàna ny mpitandro ny filaminana. Efa tsy misy velona intsony ny tompon’ireto basy ireto araky ny taratasy misoratra aminy. Ta­pa-kevitra hamerina ireto basy […]

RN7 : Tovolahy niampita tampoka, vaky loha

Naratra ny tongotra sy ny lohan’ny mpandeha an-tongotra iray voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana tao anatin’ny lalam-pirenena fahafito, PK317+150 teo Camp-Robin, ny faran’ny herinandro teo. Avy aty Antanana­rivo nikasa hihazo an’i To­liara ity fiara 4×4 ity. Niam­pita tampoka, tsy hitan’ny mpamily fiara ny tovolahy iray. Niezaka niala, voafaoka io mpiampita io. […]

Karieram-bolamena: mifamono sy mandoro tanana ny samy mpitrandraka

Tsy mijanona ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana momba ilay savorovoro tao amin’ny kariera Sahatona, distrika Mandritsara andro vitsy lasa izay. Omaly, olona amam-polony indray voasambotra tao amin’ity kariera ity. Anatin’ny famotorana lalina momba ilay raharaha tao Sahato­na ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Ankehitriny, ma­no­didina ny roapolo isa ireo voasambotra tamin’iny […]

CUA : misy lamina momba ny tsena tsy mahaloa hetra

Hitafa amin’ny mpanao ga­zety etsy amin’ny Parvis Ana­lakely, anio, ireo mpivarotra ao amin’ny Pavillon Anala­kely, indrindra ireo nanana olana mahakasika ny fandoavan-ketra. Nisy omaly ny dinika ni­fanaovan’ny solontenan’izy ireo tamin’ny ben’ny Tanà­na, Andrian­tsitohaina Naina, niarahana nitady ny fomba ahafahan’ny mpivarotra manokatra ny tsenany izay nakatona. Nian­gavy ny hanohizana ny va­rotra […]