Zazalahy voairaka hitoto vary, hita faty natelin’ny rano tao Manampotsy, faritra Atsinanana, afakomaly. Niandry filaharana teo amin’ny fitotoam-bary izy ka nanararaotra nilalao rano. Tsy hita popoka nanomboka tamin’ny 3 ora tolakandro. Navoakan’ny rano afakomaly hariva ihany io tovolahy io saingy efa tsy nisy aina intsony. Tovolahy hamonjy fianarana, maty voahosin’ny […]
Tselatra
SOMBIM-BAOVAO
Notanterahina teny amin’ny kianjan’ny Saint Michel Amparibe, ny sabotsy lasa teo, ny fanokafana ny taom-pilalaovana 2023-2024 ho an’ireo sokajy zandriny, eo anivon’ny seksiona baolina kitra Antananarivo Renivohitra. Tanjona ny hampivelatra ny baolina kitra eny ifotony, indrindra ireo kilonga. Hotanterahina manomboka anio ny andro faran’ny fifanintsanana isam-bondrona, fiadiana ny ho tompondakan’i […]
TARATRY ny KANTO
Veloma farany an’i Delacre. Nifanotrona tamin’ny fianakaviana tany an-tranony, tonga teny amin’ny Tranompokonolona Analakely nanomezam-boninahitra azy, avy eo teny amin’ny Ekar Antanimena ary nanatitra azy teny amin’ny fonenany farany eny Soavina ireo mpanakanto namana sy mpankafy azy. Nampirotsaka ny ranomason’ny maro ny nisafidianana ny hirany tamin’ny fidirana tao am-piangonana. Mitoetra […]
INDRAY MIJERY
Tontosa ny atrikasa nitondrana fanavaozana ny drafitra hiatrehana ny hamehana mahakasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ho an’ny faritra Atsimo Andrefana. Nitarika ny fivoriana ny Préfet-n’i Toliara ary nandray anjara ireo talem-paritra, lehiben’ny distrika rehetra ary ireo solotenam-panjakana. Nanotrona koa ny teknisianin’ny BNGRC. Tanteraka ny fiofanana niarahana tamin’ireo […]
VAOVAO TAMBATRA
Tanterahina manomboka rahampitso hatramin’ny sabotsy izao, ny hetsika anjara hetrako atao eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina. Ho azo eo no ho eo, mandritra izany, ny karatry ny mpandoa hetra. Tsy miova ihany koa ny fepetra takina amin’izany toy ny dika mitovy amin’ny karapanondrom-pirenena, fanamarinam-ponenana ary vola 16 000Ar aloa amin’ny e-hatraphone. Antoka […]