Tselatra

TSELATRA

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Antanamanjaka, afakomaly, ny tovolahy 17 taona. Nanolana vehivavy 34 taona tany Sahalombo, fokontany Tsivatrinikamo, distrikan’Antsirabe I izy io, ny 24 febroary 2026, tamin’ny 12 ora atoandro teo. Lehilahy iray namoy ny ainy vokatry ny vono nahazo azy tany Iamboroa Avaratra, Camp Robin, disitrikan’Ambohimahasoa, […]

TSELATRA

Fatin-dehilahy iray hitan’ny fokonolona tao anaty rano tao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga, omaly maraina. Ahin’ireo mpiasa ao an-toerana ho mamo io lehilahy io ka latsaka tampoka tao anatin’ny rano ary nitarika tamin’ny fahamoizany aina. Nirefotra tampoka ny fitaovana mpamokatra herinaratra « groupe » ka nahamay ny trano iray tao amin’­ny Valpinson, kaominina Toamasina, […]

TSELATRA

Vehivavy iray 35 taona, mpisoloky amin’ny alalan’ny vovo-bolamena sandoka, voasambotry ny polisy miasa ao Antaniavo, omaly. Voarebirebin’ny lehilahy miisa telo sy vehivavy iray, ny lehilahy 48 taona, omaly, tetsy akaikin’ny EPP Antanimena. Nandatsaka vola 5 000 Ariary tamin’ny tany ireo olon-dratsy, ary nahitana vovo-bola­mena tao anatiny. Nokasain’izy ireo hamidy 400 […]

TSELATRA

Olona efatra (lehilahy telo sy vehivavy iray) naiditra vonjimaika am-ponja, ny 09 febroary 2026, noho ny fivarotana sy fidorohana zava-mahadomelina mahery vaika “héroïne”. Voasambotry ny polisy tetsy Ambo­hidratrimo sy Antohomadinika IVO, ny herinandro lasa teo. Nahitana fonosana miisa 80, milanja roa grama tany amin’izy ireo, rehefa nosavaina. Mbola nahitana fitsindrona miisa […]

TSELATRA

40 ny isan’ny maty; enina ireo tsy mbola hita popoka, ary 427 ny olona naratra vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC, omaly hariva. 243 417 ny traboina (tokantrano 74 393) ; olona 6 318 nafindra toerana ka 11 468 napetraka any amin’ny toerana manokana miisa 48. Maha­tratra 14 630 ny trano […]