Tselatra

TSELATRA

Taksiborosy sy sarety nifandona teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, tao Ambohimandroso, omaly maraina. Omby efatra maty. Simba tanteraka ny lohan’ny fiara tra-doza sy ny sarety. Efa-dahy namono olona voasambotry ny zandary tao Amboanara, kaominina Nosy Be Hell Ville, afakomaly. Nokarohina taorian’ny tranga vonoan’olona nahatsiravina, ny sabotsy 7 jona teo, ireo olon-dratsy […]

TSELATRA

Kilan’ny afo ny tranon’ny Pretra ao Alarobia Am­batomanga, omaly vao mangiran-dratsy. Fifampikaso­han’ny herinaratra no niandohan’ny firehetana, araka ny loharanom-baovao. May avokoa ny efitra rehetra tao amin’ilay trano misy rihana. Mitohy ny fikarohana ilay lehilahy nanolana sady namono ny sakaizany tao Ambatovato, fokontany Antsi­kafoka, kaominin’i Mahambo, distrikan’i Fenerive Atsina­nana. Notsatotsatohan’io lehilahy […]

TSELATRA

Raim-pianakaviana 72 taona hiakatra fampanoa­vana, anio. Namono nahafaty ny rahalahiny tao Anjanamahasoa, kaominin’Analakamisy Itenina, distrikan’i Vohibato, io lehilahy io, rehefa tsy voaisa sakafo taorian’ny fotoana nangalany kitay. Nanamparany ny hatezerany ilay zokiny lahy ka niafara tamin’ny famoizana aina. Roa lahy mpangalatra vy amin’ireo “béton” amin’ny sisin-dalan’ny RN2 ao Toamasina, voasambotry […]

TSELATRA

Niparitaka nanerana ireo faritra hifamezivezen’ny besinimaro hatrany anaty elakelan-trano ny polisim-pire­nena nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Pentekosta teo. Nitandro ny filaminana, nisoroka ny korontana sy nisambotra ireo tontakely sy mpanao ratsy teny anivon’ny fiaraha-monina izy ireo. Tanjona ny hisian’ny fankalazana ny fety anaty filaminana tanteraka. Lehilahy hita faty nihantona tamin’ny […]

TSELATRA

Naiditra vonjimaika am-ponja omaly ilay lehilahy namono nahafaty ny sakaizany, ny 2 jona lasa teo. Rehefa avy niakatra fitsarana omaly ihany. Nifamaly izy roa ny harivan’ny 1 jona 2025 tamin’ny 05 ora sy sasany hariva teo. Nokasihiny tanana ilay vehivavy ary maty. Nitolo-batana teny anivon’ny zandarimaria Moramanga ny nahavanon-doza ka […]