Hiavaka tanteraka ! Rehefa nosokajiana, tafiditra ao anatin’ny hiran’ny omaly ny ho re avy eny an-tsehatra, ny alahady 16 avrily izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ ny CCEsca Antanimena. «Rindran-kira ho anao», seho ahitana ireo mpanakanto miangaly io karazan-kira io. Mpanakanto sy tarika maherin’ny folo no […]
Other News
Festival Miaraka : haikanto samihafa no handravaka ny hetsika
Fiombonana ao anatin’ny fahasamihafana, indrindra ny eo amin’ny haikanto sy ny kolontsaina no anisan’ny tanjona amin’ity hetsika lehibe ity. Nisy ny vinan’ny mpikarakara hamondrona ny haikanto rehetra saingy ireo no tratra ny amin’ny fiaraha-miasa. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo, Andavamamba, ny “Festival Miaraka”, andiany fahatelo. […]
Ny filankevi-panjakana : manoka-baravarana
“Mety hiteraka disadisa ny fanapahan-kevitry ny manampahefana any amin’ ny faritra. Hisorohana izany sy hahatomombana ny filaminam-bahoaka, misokatra ny varavaran’ny Filankevi-panjakana sy ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana, ho azy ireo, ho fakana tolo-kevitra”, hoy ny filohan’ny Filankevi-panjakana vaovao eo anivon’ny fitsarana tampony, Ratolojanahary Marie de Jésus, nanao ny […]
Minisitry ny Fitsarana : “Azo hatsaraina hatrany ny lalàna mifehy ny Pac”
“Anjakan’ny demokrasia i Madagasikara. Natao hivoatra koa ny lalàna. Raha misy mahita hoe mbola tokony hohatsaraina ny lalàna mifehy ny Pac, afa-manolotra fanitsiana ny depiote.” Io ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, teny Anosy, omaly, momba ny fanakianan’ny firaisamonina sivily sasany fa manalefaka ny herin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny […]
Depiote R. Brunelle: “Saziana isika aty Ikongo”
Tsy nitsitsy fitenenana ny depiote Razafintsiandraofa Jean Brunelle tamin’ny fanamarihana ny 29 marsa teo, tao Ikongo. Notsiahiviny tamin’izany fa anisan’ny nampifidy ny mpitondra amin’izao fotoana izao ny tenany. “Aza hadinoina ny tantara, anisan’ny ambony indrindra ny taha nifidianantsika azy taty… Tsy tonga anefa ny nampanantenaina antsika hatramin’izao… Tena saziana sy […]






