Other News

Faritra Sava- Orange: tohanana amin’ny alalan’ny Wifiber ireo mpandraharaha

Nitsidika ny faritra Sava tany Sambava sy Antalaha ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Frédéric Debord, ny faran’ny herinandro teo. Nanavao ny fifanarahana tamin’ny mpandrahara ny Orange , anisan’izany ny vehivavy, ho fampandehanana ny Wifiber. Sambava sy Antalaha, samy nihaonan’ny tale jeneraly, Frédéric De­bord, ireo manam-pahefana sy mpandraharaha ara-toekarena, ary ny […]

Tetikasa Pic 3 : hatsaraina ny lakandranon’i Pangalana

Hitondra fampandrosoana maharitra ny tetikasa Pic (Pôle intégré de croissance) andiany fahatelo, tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena. Ma­ha­kasika faritra dimy (Atsi­nanana, Analanjirofo, Vato­va­vy, Atsimo Atsinanana, Fito­vinany) izany, ahitana kaominina miisa 82. Nikaondoha teto Toamasina ny governora sy ny prefen’ireo faritra ireo, ny tapaky ny volana marsa teo. Zava-dehibe ny Pic 3, satria […]

Maitsoahitra : nizara fanampiana teny Avaradrano ny Antenimierandoholona

Nitaraina ny mponina eny Ambohimanga sy ny manodidina amin’ny halafon’ny vidim-bary amin’izao fotoan’ny maitsoahitra izao. Araka ny toromariky ny filoha Rajoelina, namaly izany ny filohan’ny Antenimie­ran­doholona, Razafimahefa He­rimanana sy ny mpanolotsaina manokan’ny filoha, ny Jly Ravalomanana Richard, nanome fanampiana ny 2 avrily teo. Notolorana vary 20 gony tsirairay avy ny […]

Tetikasa Filamatra : nahafa-po ny zava-bita teny amin’ny kaominina Tsiafahy

Tapitra tamin’ity taona ity ny tetikasa Filamatra, tanterahin’ny fikambanana Cemes, tany amin’ny kaominina Tsiafahy, distrika Atsimondrano. Miisa 274 ny mpisitraka nahatojo hatramin’ny farany, niofana ara-teknika ny lafiny fambolena, ny fambolen-kazo, ny fiarovana ny tontolo iainana, sns. Nahafa-po ny vokatra azo, na misy aza ny lesoka mila harenina. Tanjon’ny tetikasa Fi­lamatra, […]