Raikitra ihany ny fanentanana ny mpifidy. Tsy voasakan’ny fepetran’ny minisiteran’ny Atitany amin’ny tsy fahazoana mamory vahoaka ankalamanjana sy ny fanakanana nataon’ny Emmo/Reg ny hetsika nataon’ny Tim. “Tsy voasakana izany intsony isika. Adin’ny kanosa ireny fanakatsankanana ireny”, hoy ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana, raha nihaona amin’ny vahoakan’i Manjakandriana, omaly. Vory lanona […]
Other News
Herinandro masina : mitaona ny tsirairay handini-tena ny FFKM
“Mankalaza ny herinandro masina isika. Koa mitaona ny tsirairay handini-tena, hanaiky hiala amin’ny ratsy fanao, hibebaka.” Io ny hafatry ny FFKM, nentin’ny filohany, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi, amin’izao herinandro masina mialoha ny Paska izao. Mba handraisan’ny rehetra ny fanavaozan’ny Fanahy Masina izany. I Jesoa velona nandresy ny fahafatesana ankalazaina […]
Loza aman’atambo
Tao anatin’ny herinandro vitsy, mivadika ambony ambany ny fiainan-dRamalagasy, indrindra ny eto an-drenivohitra. Mihalalina ny fahantrana, sanatria matimaty ho azy izany ny mpiray tanindrazana. Mahonena sy mahalatsa-dranomaso ny mahita loham-pianakaviana mamoy fo. Mirona any amin’ny famonoana ny ankohonany, avy eo mamono tena. Betsaka ny olona tsy mahazaka ny « donam-piainana […]
« Gool Den Team »: fikambanan-jatovo mpametaveta tovovavy virijiny
Ankoatra ilay FLM, miforona ao Toamasina ny fikambanan-jatovo maditra “Gool Den Team”. Tsy vitan’ny manao herisetra fa manao fifanarahana miafina ny mpikambana. Raha ny angom-baovao voaray, tovolahy telo tarihin’i Ti Teuf sy Cledos ary Gino ity no mitarika ity fikambanana miafina ity. Samy mampiasa anaram-bositra ry zalahy. Mbola mpianatra kilasy […]
Belo Tsiribihina : mpivarotr’omby iray voalaza maty notifirin’ny miaramila
Lehilahy iray avy nivarotra omby no voalaza fa matin’ny miaramila tao Belo Tsiribihina, afakomaly. Mipetraka any amin’ny kaominina Andimaky izy. «Ny alahady teo, avy nivarotra omby tany Belo Tsiribihina ity lehilahy ity ary nifanena tamin’ireo miaramila tsy lavitry ny “camps” misy azy ireo. Teo noho eo ihany, nitifitra azy ny […]






