Other News

VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra tampoka ho 78,54 dolara ny vidin’ ny solika 1 barila (= 219 litatra), eo amin’ny tsena iraisam-pirenena Brent, omaly 2 marsa. Noho ny adin’i Iran sy ny israely ary Etazonia no antony. Nahatratra 68 dolara ny vidiny ny 16 febroary, nisondrotra ho 72 dolara ny 1 marsa, ary izao […]

MVola : 52 500 ny hazo voavoly tato anatin’ny 6 taona

Manamafy ny finiavany ara-tontolo iainana ny orinasa MVola. Manana fandahara­nasa natokana ho an’ny fambolen-kazo izy, ary nahazoany ny mari-pahalalana B Corp, nanomboka ny taona 2022 izany. Miara-miasa amin’ny orinasa Altera, ao anatin’ny vondrona Axian, ny MVola, amin’ny fa­merenana amin’ny laoniny ny ala sy ny fikajiana ny tontolo mananaina eto Ma­dagasikara, […]

EJE SHIFT 2026: Voizina ny fandraha­rahana niomerika

Hotanterahina ny 13 sy 14 marsa, ao amin’ny Orange Digital Center (ODC) Soarano, ny hetsika Espace jeune entre­pre­neur, Eje Shift andiany faha-14, karakarain’ny Club entrepreneur étudiant du Rendez-vous des entrepreneurs (CEERE). Hisongadina ny tanora sy ny fandraharahana ao anatin’ny niomerika. Tanjona ny hanohanana ity tafitra ity eto Madagasi­kara, araka ny […]

AOMMM : Hitari-dalana ny tantsambo ara-barotra

Tari-dalana ho an’ny tantsambo ara-barotra sy hitondra ny fahaiza-manaony eto an-toerana ary hanandratra avo ny hasin’ny andraikitra sahaniny ny AOMMM. Hanofana, hanampy ary hanohana ny fahaiza-manaon’ireo zandry. Hitazona ny kalitao sy ny lentan’ny tantsambo ara-barotra ary hitsinjo manokana ireo zoky efa nisotro ronono. Ireo no tanjona apetraky ny Fikam­banan’ny manamboninahitra […]

FANTINA sy FINTINA

Nifampizara ireo asa sy dingana vita nandritra ny efa-bolana niasan’ny minisiteram-panjakana misahana ny Fanavaozana ny minisitra Razafi­manantsoa Hanitra. Nambarany tamin’ny fananganan-tsaina, omaly, fa hanomboka ny fikaonandoha andrana amin’ny faritra telo. Miara-miasa amin’ireo sehatra hafa mikarakara fikaonandoha koa ny minisitera. Handray andraikitra ny fanjakana ary hisy ny fepetra horaisina manoloana ny […]