Other News

Mila pasohina indray mandeha! 

  Hisy… Tsy hisy… Resabe ny mahakasika ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana ilay fikaonandoham-pirenena. Toa maro ny antony mampikatso azy: vola, fitaovana, indrindra ny finiavana. Ity farany angamba no lehibe indrindra. Raha vola zarazaraina maimaimpoana angamba tsy ahafahana milaza fa misedra olana amin’ny hoenti-manana. Ny vola misy fa ny hanaovana azy […]

Tsy misy fanambarana mazava: Mihazohazo ny fikaonandoham-pirenena

Hatao ihany saingy mbola misy fandaminana ny fikaonandoham-pirenena. Nivory maika, omaly, ny tomponandraikitra voakasik’izany: ny Fiadidiana ny Repoblika, ny FFKM ary ny minisitera mpiahy. Hatramin’ny fotoana farany, tsy raikitra ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny rehetra teny amin’ny CCI, Ivato, omaly, araka ny tetiandro naroson’ny fitondram-panjakana hatramin’izay, indrindra ny eo anivon’ny minisitera […]

Lalao ara-pirahalahiana :  Resin’i Maroc tamin’ny isa 4 no ho 0 ny Barea

Voahaja ny lojika! Tsy nahatohitra ny ekipan’ny Lion de l’Atlas Maroc ny Barean’i Madagasikara, omaly, tao amin’ny Kianjan’i Moulay Ab­dellah, Rabat Maroc. Nomo­ntsanin’ny ekipa nasionaly maraokanina, tamin’ny isa 4 no ho 0, ny Barea. Raha hiverenana kely ny fifanandrinana, nanindry tanteraka tamin’ny lafiny rehetra ny Maraokanina, na teo amin’ny fanafihana […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina anio, eny amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus, By-pass, ny lalao ampahefa-dalana miverina amin’ny PFL, hihaonan’ny Ajesaia sy ny AS Ste Anne. Mbola manala vela amin’ity fifanandrinana ity ny Ste Anne, izay resy tamin’ny isa 2 no ho 1, tany amin’ny fihaonana mandroso. Mbola mipetraka eo amin’ny laharana fahatelo, eto Madagasikara, […]