Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny famaranana teo amin’ny sokajy N1B, ho an’ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja basikety. Voahosotra ho tompondaka, tamin’izany, ny ASA, teo amin’ny sokajy vehivavy rehefa nandavo ny Lucadro, tamin’ny isa 62 no ho 52. Tetsy ankilany, ny ekipan’ny Fandrefiala kosa no nandrombaka ny fandresena, teo amin’ny sokajy […]
Other News
Padel : Mpanao gazety 9 nahazo fiofanana
Tsy mijanona ho mpitatitra sy mpampita vaovao fotsiny ny mpanao gazety fa miditra an-tsehatra amin’ny taranja samihafa koa. Taorian’ny tsipy kanetibe, niditra tamin’ny Padel indray izy ireo, ka nandranto fahalalana mahakasika izany ary nanao fampiharana tamin’ny alalan’ny fifaninanana teo amin’ireo samy mpiofana. Mitohy hatrany ny hetsika fanomezana fahalalana ny mpanao […]
TARATRY ny KANTO
Ho tafaraka indray ry Tselonina sy Levelo. Tsy avelan’ny mozika hifanalavitra, indrindra koa fa mitady hatrany ny fiarahana ireo mpankafy. Manome fotoana azy ireo indray, etsy amin’ny Piment Café Behoririka ny tarika roa tonta. Hanampy azy ireo mandritra izany koa i Feno sy Mparany, mpitendry efa manaraka an’i Tselonina no […]
Rar Project: Pi-maso ho an’ny mpankafy « rock alternatif »
Mpanakanto maromaro atambatry ny fitiavana ny “rock alternatif” etsy andaniny. Mitovy tanjona koa, etsy ankilany, izy ireo. Nivondrona anatin’ny Rar Project mba hizara sy hivoy izany, toy izay hitranga ny zoma 5 jona izao, eny amin’ny Madagascar Underground Antsahavola, manomboka amin’ny 6 ora hariva. Tsy fampisehoana tsotra fotsiny fa mandeha […]
Misaona ny lalao fanorona: Nodimandry Rakotovao F. Olivier
Nitondra anjara biriky maro tamin’ny fampivelarana sy fanomezan-kasina ny fanorona Rakotovao Fanomezantsoa Olivier, iray amin’ireo mpilalao fanorona sady mpikaroka momba ity lalaon-tsaina sady kolontsaina malagasy ity. Tao anatin’ny 42 taona no niseharany tao anatin’ity tontolon’ ny fanorona ity. Efa filoha lefitry ny Federasionina fanorona malagasy izy ny taona 2017 ka […]






