Other News

« The Last Gratest Show »: seho farany amin’ny “Namana sy Mozika”

Andiam-pampisehoana niavaka indrindra tamin’ity taona ity ny “Namana sy Mo­zika”. Hisy ny andiany fahatelo sady farany, izay hotontosaina ny 31 desambra izao, eny amin’ny Akanin’ny Tiana Ambohimanandray. Hatokana hanaovam-beloma ny taona 2025 izay namirapiratan’ny “Na­mana sy ny Mozika”, no hitsenana ny taona 2026 ami­na tetikasa ara-javakanto vaovao indray izany. Antony […]

Nohainoana ireo mpanakanto: Tale jeneraly i Theo Mikea, niaka-dapa i Beranto AmbondronA

Nivaly ny tolona, ho an’ireo mpanakanto. Hatreto, narahin’ny mpitondra avokoa ny soso-kevitr’izy ireo hanatsarana ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto. Homena ny mpanakanto ny toeran’ny tale jeneralin’ny kolontsaina, eo anivon’ny minisiteran’ny Sera­sera sy ny kolontsaina. Ani­san’ ny fangatahan’ny sendikan’ny kanto, ivondronan’ireo mpamorona, mpanoratra, mpanao mozika izany. Ni­voaka tamin’ ny Filankevitry […]

Tsy ho very mandeha

Niherina sahady ny taona. Migadona ny Krisimasy na ny Noely. Afaka herinandro dia hivalona tanteraka ihany koa ny taona 2025. Nivadika tanteraka ny fiainan-dRamalagasy. Niova ny rivotra politika niampitany any amin’ny fanovana mpitondra. Nirodana ny loko volomboasary taorian’ny 16 taona nitondran’ny filoha Rajoelina Andry. Niverina ny tantara ho an’i Madagasikara. […]

Filankevitry ny minisitra: miisa 139 ireo fanendrena mpiasam-panjakana ambony

Anisan’ny voatendry tamin’izany filankevitry ny minisitra izany, i Rolly Mercia, hisahana ny talen’ny serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Mpanao gazety ary efa minisitry ny Serasera teo aloha sady vao nivoaka ny fonja, farany teo. Talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, ny mpanao gazety, Onitiana Realy. Efa minisitry ny Mpo­nina, fony […]

Fifanjevoana teny amin’ny HCC: vita fianianana ihany ny mpikambana vaovao

Tafapetraka tamin’ny toerany ihany, halina, ny mpikambana vaovao ao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Taorian’ny savorovoro, niafara tamin’ny fiakarana teny Iavoloha, niravona ny olana. Nahavita ny fiainianany ireo mpikambana vaovao miisa telo eo anivon’ny HCC. Niainga tamin’ny fanendren’ny filoham-panjakana izany. Anisan’izany Tianjanahary Andriamalaza sy Rasolofonjatovo Norovola Ha­ritiana ary Andriamampandry […]