Mitombo ny fandikan-dalàna ataon’ny mpampiasa lalana sy ny trangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana sy nandratrana olona. Mahatratra 172 ny fitambaran’ny lozam-pifamoivoizana teto Antananarivo, tao anatin’ny telo volana. 12 tamin’ireo namoizana aina avokoa. 172 ny fitambaran’ny lozam-pifamoivoizana niseho teto Antananarivo, nanomboka ny volana septambra hatramin’ity volana novambra ity. Manodidina ny 12 ny tranga […]
Other News
Lomano-“Meeting de l’Océan Indien” : Nandrombaka medaly 6 i Koty Glorio
Namirapiratra indray ny Malagasy mpilomano, ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fifaninanana “Meeting de l’Océan Indien”, taranja lomano, natao tany La Réunion. Medaly 6 be izao no norombahin’i Koty Sampaniaina Glorio, teo amin’ny sokajy 12 taona. Volamena ny roa tamin’izany, izay azony teo amin’ny 100m nage libre sy teo amin’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Notohizana teny amin’ny Kianjan’Ambohidratrimo, nanomboka omaly, ny lalao divizionina faharoa nasionaly, taranja baolina kitra. Araka ny fanadihadiana natao, nisy savorovoro indray teo am-panombohana ny lalao, saingy nezahin’ny eo anivon’ny Federasionina nalamina izany. Marihina fa raha tsy misy ny fiovana farany, hatao eo amin’io kianja io ihany koa ny tohin’ny « Poule […]
Barea A – Corentin Martins : Mbola hodinihina ny fanavaozana ny asany
Nanatanteraka fitsidihana ny Kianja Barea Mahamasina ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), notarihin’ny minisitra Rasambany Alain Désiré, omaly. Nanatrika izany koa ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred. Nohararaotina tamin’io ny resaka mahakasika ny fitohizan’ny asa ho an’ny mpanazatra ny Barea A, i Corentin Martins. Nilaza izy […]
Filohan’ny FMA : «Tsy manan-jo haka tapakilan’ny atleta ny federasionina»
Haratsiam-panahin’ireo mitonona ho mpikarakara ve sa fahadisoana tsy nahy avy any La Réunion no tsy nahalasa an-dRalisinirina Marthe, tokony hiatrika ny “Meeting de La Réunion”. Nisy olona tsy fanta-piaviana mantsy tafiditra tao anaty lisitra izay tsy nahazo alalana ka miteraka ny ahiahy. Niteraka resabe teo anivon’ny tontolon’ny fanatanjahantena sy fanehoan-kevitra […]






