Other News

Herinaratra : Foana ny delestazy any Toliara

Foana tanteraka ny delestazy ao an-tampon-tanànan’i Toliara. Mandeha araka ny tokony ho izy ny famatsiana herinaratra any an-toerana, vatsian’ny orinasa Enelec. Mahatratra 4,2 MW isan’andro ny filan’ny mpanjifa ao Toliara, ary tafa­katra 8,5 MW amin’ny hariva. Araka ny fifanarahan’ny Enelec, ao anatin’ny vondrona Filatex, amin’ny fanjakana, herinaratra 9,9 MW no […]

Taona 2025 : Tsy mihoatra ny 7,4% ny fidangan’ny vidim-piainana

Refesina amin’ny alalan’ny fivoaran’ny vidin-javatra jifaina (IPC) ny fidangan’ny vidin-javatra mipaka isan-tokantrano. Voafehy ny vidim-piainana, tsy nihoatra ny 7,4% ny tamin’ity taona ity, raha nahatratra 8% isan-taona izany hatramin’izay. Mamaritra ny fiovaovan’ ny vidin-javatra ny IPC. Araka ny antontani­san’ny Instat, anisan’ny handanian’ny tokantrano mala­gasy ny vola miditra aminy ny fividianana […]

FANTINA sy FINTINA

Nanambara ny fahavononany amin’ny adidy ho an’ny vahoaka indray ny depiote Ratsivahiny Andry, tao amin’ny facebook, omaly. Nanteriny fa ho tohizana ny efa natomboka. « Asa fampandrosoana ho an’ny vahoakan’Atsimondrano hatrany. Mitohy ny asa ho an’ny tantsaha, ny vehivavy… », hoy izy. Manaiky ny dingana vitan’ny fitondrana ny sehatra iraisam-pirenena, araka ireo fanambarana maro […]

Fifehezana tsy ara-dalàna ny fahefam-panjakana : Mangataka fanamelohana i Madagasikara

Nandray anjara fitenenana tamin’ny fivoriana faha-24 ataon’ny fanjakana mpikambana eo anivon’ny Fitsarana heloka bevava iraisam-pire­nena (CPI), tany La Haye, Pays-Bas, afakomaly, ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fani­risoa. Soso-keviny ny hampidirana ny heloka bevava momba ny fifehezana tsy ara-dalàna ny fahefam-panjakana ho anisan’ny heloka azo henjehina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. […]

Mamerin-desona

  Miroso tsikelikely eny ny fiainam-pirenena. Efa mivelatra manerana an’izao tontolo izao ihany koa ny diplaomasia malagasy. Miverina amin’ny laoniny avokoa ny fifandraisana amin’ny firenena vahiny sy ny fikambanana iraisam-pirenena. Tsy misy hatahorana intsony raha ny fiaraha-miasa sy ny fanohanana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka. Manga ara-bakiteny ny lanitra! Efa tsy mitsanga-menatra, […]