Other News

Fandraharahana : Hatsangana ny politika momba ny indostria

Tafiditra ao anatin’ny fanavaozan-drafitra apetraky ny fanjakana ny Politika hampandrosoana ny orinasa, fototry ny fampandrosoana ny toekarena. Hojerena manokana ny fomba hanampiana ny Malagasy mpandraharaha. «Hamolavola politika ho fampiroboroboana ny orinasa ny minisiteran’ny Fampiro­boroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP). Hapetraka ihany koa ny Tahirim-pirenena entina […]

Kabary: Feno 62 taona ny Fi.Mpi.Ma

16 novambra 1963 – 16 novambra 2025. Feno 62 taona ka­troka rahampitso ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy maneran-tany na ny Fi.Mpi.Ma. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ho fanamarihana izany ny « Takalo dinika amorom-patana » hotanterahina rahampitso, ao amin’ny Havoria, Anosy. Hanomboka amin’ny 1 ora sy sasany tolakandro, hamelabelatra ny lohahevitra: « Ny soatoavina malagasy […]

Sarimihetsika malagasy : Mbola maro ireo olana mila vahan’ny mpisehatra

Mbola lavidavitra ny tena famirapiratana ho an’ny sarimihetsika malagasy. Anisan’ireo sokajy « nafana » tamin’ny fakan-kevitra natao ny alakamisy teo koa ity seha-kanto iray ity. Misy vahaolana anefa avy amin’ireo mpisehatra. Lalàna mifehy, rafitra misahana, fahaiza-manao, fitaovana, sns. Samy mbola ahitana olana avokoa izany, ho an’ny sarimihetsika malagasy. Vory lanona ireo mpi­sehatra, […]

SOMBIM-BAOVAO

Nihaona tamin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, tetsy amin’ny biraony, Ambohijatovo, omaly, ny filo­han’ny Kaonfederasionina afrikanina ny baolina kitra teo aloha, i Ahmad Ahmad. Tanjona ny fifampizarana traikefa amin’ny fitantanana sy ny hampiroboroboana ny taranja baolina kitra. Nodinihina manokana ny ma­hakasika ny fankatoavana ny Kianja […]

Baolina kitra – D2 Nasionaly : Fantatra ny datin’ny fifanintsanana

Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina any Toliara sy Mahajanga, ny 21 – 30 novambra ho avy izao, ny dingana faharoa amin’ny fifaninanana D2 Nasionaly, taranja baolina kitra. Andrasana, araka izany, ny famoahana amin’ny fomba ofisialy izany avy amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Hatra­min’ny nanoratanay, omaly, tsy mbola nisy […]