”Tsy misy idiran’Andriantsitohaina Claudia ny raharaha SMGD, mangataka ny hamotsorana azy izahay”, hoy ny Vehivavy Vovonana mahitsy fijery. Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Analakely izy ireo, omaly. Tsy afaka ny hangina manoloana ny toe-draharaha. « Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana izahay amin’ny maha vehivavy sy reny anay. Avotsory Andriantsitohaina Claudia», […]
Other News
TSELATRA
Olona maherin’ny 40 marary voan’ny fahapoizinana ara-tsakafo tany Mahajanga, ny sabotsy lasa teo. Manaraka fitsaboana ao amin’ny Hopitaly Jean Paul II Antanimalandy ny 33 amin’izy ireo. Nalefa eny amin’ny CHU Mahavoky Atsimo ny 10 hafa, raha any amin’ireo hopitaly sy klinika hafa ny ambiny. Avy nifety tany amin’ny toeram-pilanonana iray tany […]
Sinoa mivady nisoloky: Mitaky ny hanaraha-maso ny raharaha ny lasibatra
Manao antso avo amin’ny minisitry ny Fitsarana ireo mpitory, lasibatra tamin’ny fivarotana tamin’ny alalan’ny fisandohana ny orinasany, mpitrandraka vato iray eto Madagasikara. Takin’izy ireo ny hanaraha-maso sy handraisana andraikitra mahakasika io raharaha io. Raha ny fantatra, nahazo fahafahana vonjimaika ny sinoa iray sy ny vadiny, malagasy, afakomaly. Izy ireo izay […]
Nahatrarana basy: Lehilahy nanafika Cash point voasambotra
Lehilahy nanambana basy mpanao Cash point voasambotry ny polisim-pirenena tao Sambava, ny sabotsy 8 novambra lasa teo. Mody nanao toy ireo mpanjifa rehetra mivezivezy ireny io lehilahy io. Niditra tao amin’ilay toerana fangalana vola amin’ny alalan’ny finday izy. Nanontany vola raha toa ka manana ilay tompona Cash point. Nahita ny […]
Vonoan’olona : Zazamenavava nataon-drainy sorona
Zaza enim-bolana nataon’ny rainy sy ny renibeny sorona tany amin’ny ladoany, tao amin’ny kaominina Miandrarivo. Voasambotra ireo nahavanon-doza. Notanan’ny zandarimaria manao ny famotorana avokoa ny ray niteraka, ny reniben’ny zaza ary ny mpanandro iray tompon’antoka tamin’ny vono olona tao amin’ny fokontany Ambavahadivato, kaominina Miandrarivo, distrika Faratsiho, ny 7 novambra lasa […]






