Other News

Lamaody sy filatroana : Nodimandry Raman

Fantatra teo amin’ny tontolon’ny filatroana sy ny famoronan-damaody i Mandresy Razafindrakoto na Raman. Nodimandry ny talata teo, rehefa avy nolazoin’ny aretina nandritra ny taona maro izy, araka ny nampitain’ny fianakaviany. Mpilatro nanomboka ny taona 1995, ary anisan’ireo voalohandohany nitondra fivoarana ho an’ity sehatra ity Raman. Izy rahateo no voafidy ho […]

« Indray andro hono… » : Tsy ho hita anaty fanabeazana intsony ny angano

Tahaka ny firenen-drehetra maneran-tany. Manana ny fomba hitaizany ny taranany ny Malagasy. Iray amin’ireny ny fitantarana angano. Nihavery tsikelikely anefa izany… Afaka dimy taona, tsy ho heno intsony anaty fanabeazana izy io. Indray andro, hono… Tsy hahafantatra intsony izay momba ny angano nisy teo amin’ny tanindrazany ny Malagasy. Araka ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Tontosa tao Toamasina, ny 22 septambra, ny fivoriana andiany faha-8 ho fifampiresahana eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (DPP). Nibahana nandritra ny fihaonana sy ny dinika natao ny momba ireo fomba fiasa eo anivon’ny seranan-tsambo manaraka ny fenitra. Tafiditra ao anatin’izany ny resaka mahakasika ny fanafarana sy fanondranana […]

Foara Regan – distrika 13: Hisongadina ny vokatra avy eto Analamanga

Hatao ny 25 hatramin’ny 27 septambra ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny hesika lehibe, « Foaran’Analamanga » (Regan). Lohahevitra noraisina ny hoe, « Analamanga, faritra lovainjafy ». Mikarakara azy ny faritra Analamanga, izay mpanohana mivantana toy ny mahazatra ny orinasa Yas. Hasongadina amin’ity andiany fahatelo ity ny hampahafantaran’ireo distrika 13 ao […]

Mahaiza misafidy

  Migadona ny andro izay voalaza fa hisian’ny fitakiana goavam-be iarahan’ny olona milaza fa leo delestazy sy fahatapahan-drano. Inona tokoa re no hiseho? Raha ny tambajotran-tserasera izany aloha dia hoe toa ” baomba be” ilay izy. Tena mientanentana ery izato tanora sy ny mpilaravinahitra mandrehitra afo. Mampanahy ny zava-misy ka […]