Hiaka vaovao amin’ny firesahana amin’ny finday ny VoLTE atolotry ny Airtel. Mifanandrify amin’ny vinan’ny fanjakana amin’ny fiovana mankany amin’ny fampiasana ny niomerika izany. Nampahafantarina omaly, tamin’ny fomba ofisialy ho an’ny mpanjifan’ny Airtel ny fampiasana ny VoLTE (Voice over LTE). Fotoana niarahana tamin’ny minisiteran’ny Fampandrosoana ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT), […]
Other News
TSELATRA
Niakatra fampanoavana omaly ny ray aman-drenin’ilay zazamenavava nisy nanary teny amin’ny fokontany Antsakajohy, kaominina ambanivohitra Bemanevika, Sambava, ny 14 septambra lasa teo. Tsiahivina fa olona handeha maraina no naheno feon-jaza mitomany ka nijery izany. Zaza vao teraka sy mbola niaraka tamin’ny tadim-poitra io nisy nanary io. Natao ny fikarohana ireo […]
Nitsoaka alika masiaka : Tapaka ny tongotr’ilay ankizy lasibatra
Ankizilahy sahabo ho 15 taona tapa-tongotra havanana rehefa nenjehin’ny alika, tao amin’ny fokontany Ambohidehilahy, kaominina Ambohimangakely, omaly maraina. “Nandalo toy ny rehetra io ankizilahy io”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao. Nentin’ny tahotra, nandositra ilay ankizy rehefa nahita alika. Nanenjika avy hatrany rahateo io biby io. “Nihanika toerana somary avo ilay ankizy […]
Moramanga: Telo lahy nahatrarana taolam-paty 52 kg
Notanana vonjimaika am-ponja, omaly, ireo telo lahy nahatrarana taolam-paty tao Maroventy, fokontany Tanamandroso, kaominina Moramanga. Naharay angom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo ny mpitandro filaminana fa misy olona ahina ho mitazona taolam-paty ao amin’io fokontany voalaza io. Nidina ifotony ny mpitandro filaminana ny alatsinainy 22 septambra tamin’ny 4 ora tolakandro. Nosavaina […]
FIDINANA AN-DALAMBE : “Tsy ara-dalàna”, hoy ny Emmo/Nat
Nilaza ny tomponandraikitry ny EmmoNat fa tsy ara-dalàna ny hetsi-bahoaka hotanterahina anio. Manamafy ny fidinana an-dalambe kosa ny mpitarika. Mila fitoniana! Nanao fanambarana tetsy Anosy ny avy amin’ ny EMMONAT, izay ahitana ny zandarimariam-pirenena, ny polisim-pirenena ary ny Tafika Malagasy, omaly. Manoloana ireo fihantsiana samihafa sy fikasanana hanao fanakorontanana ho […]






