I Hira no nahazo ilay gitara Taylor… Gitara lafovidy, loka voalohany tamin’ny “Tafan-gilita fifaninanana”. Mendrika azy izany, raha ny talentany. Fanombohana ihany anefa ho an’i Hira, satria mbola ho lava ny lalan’ity mpanakanto ity. Anarana tsy tongatonga foana, fa mahalaza be ilay Hira… Vao 17 taona monja izy! Tena rara-kivy […]
Other News
Analakely : Mpangarom-paosy nikasa haka 100 euros
Teratany vahiny iray niharan’ny asa ratsin’ireo tontakely teny Analakely, teo amin’ny firaisaina voalohany, omaly. Nandritra ny fisoratam-panambadiana ny maraina, nifanisika ny olona ka nanararaotra nisaka ny paosin’io teratany vahiny io ny mpanao ratsy. Lasibatra nandritra izany ny fitoeram-bola natao tao am-paosy. Nahare ny fisintoman’io mpangalatra io ny fitaovana tao am-paosiny […]
« Salon de la gastronomie » andiany faha-11 : Fotoan-dehibe ho an’ireo mpankafy ny hainahandro
Manan-talenta, manana ny akora fototra ary misongadina maneran-tany, i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny hainahandro. Anisan’ireo hasongadina ny sôkôla malagasy amin’ity andiany ity. Raha resaka nahandro, miavaka ny Malagasy. Voaporofo hatrany izany, na eto an-tanindrazana ka hatrany amin’ireo hetsika lehibe maneran-tany ho an’ny hainahandro. Antony iray mbola mampitoetra ny lazan’ny […]
TSELATRA
Nendahin’ny olon-dratsy ny varavarankelin’ny trano iray nanaovan’izy ireo fandrobana tao amin’ny fokontany Tsarariva, fokontany Mahazoarivo, kaominina Ampefy, omaly maraina tamin’ny 9 ora. Tsy nisy tao an-toerana ny tompon-trano ka nentin’ireo mpandroba ny entana sarobidy rehetra. Mpivarotra zava-mahadomelina sady mpidoroka voasambotry ny zandary tao Ivato, fokontany K4, distrikan’Ambohidratrimo, omaly. Nahatrarana rongony […]
Vono olona teny Antanety : Tompon’antoka ny havan’ilay lehilahy maty
Olona miisa fito niray tsikombakomba tamin’ny famonoana olona nosamborin’ny zandary tao amin’ny fokontany Antanety, kaominina Ampanotokana, distrikan’Ambohidratrimo, afakomaly. Lehilahy iray hita faty tao amin’ny trano fonenany tao Ambohitrimanjaka, ny 26 aogositra lasa teo. Vehivavy ny telo tamin’ireo voasambotra ary misy rohim-pihavanana tamin’ilay lehilahy novonoina. Nisy disadisam-pianakaviana teo amin’io lehilahy niharan’ny […]






