Amin’ny fotoam-pahavaratra, tsy misy ny fampisehoana rindran-kira eny amina sehatra ankalamanjana. Mirotsaka ny orana. Tsy misy ny adin-kiragasy fa lasa mirotsaka eny an-tsaha ny mpanao hiragasy. Tsy ampy na lafo be ny vidin’ny fitaovana. Mipitrapitra fotsiny ny mpanao sary hosodoko. Tsy misy ny sehatra na kianja hilalaovan’ny ankizy. Tsy ho […]
Other News
Fanabeazana sy fampianarana: Mila omen-danja ny maha izy ny Malagasy
Beazina eo anivon’ny tokantrano. Ampianarina any an-tsekoly. Samy manalasala avokoa ny vokatra azo avy amin’izany. Misy zava-tsy mety sy tsy mirindra ao… Ireo ray aman-dreny manabe, Malagasy. Ireo mpampianatra mampianatra, mbola Malagasy ihany koa. Fa maninona ireto vokatra no hafahafa be? Zaza sy tanora malagasy, tsy mahalala na tamingana ohabolana […]
FANTINA sy FINTINA
Hanainga eto Antananarivo, anio, hoentina any Toamasina, ny nofo mangatsiakan-dRatsiraka Céline. Halevina any an-toerana, ny zoma izao, fa tsy ho etsy amin’ny Fasan’ny maherifo, ilevenan’ny amiraly Ratsiraka, araka ny fandaminan’ny fianakaviana. Higadona, anio, eto an-tanindrazana, koa ny zanany lahitokana, Ratsiraka Xavier. Anisan’ny tonga nankahery ny fianakavian-dRatsiraka Céline ny avy amin’ny […]
Depiote Andriamampandry Todisoa : “Henatra ny mpanao gazety tampenam-bava”
“Tsy misy ny fahafahana na ny demokrasia. Na ny mpanao gazety aza, tampenam-bava amin’ny vaovao avoakany. Lasa henatra ho an’ny firenena amin’izao: na ny mpanao gazety avy any ivelany na ny eto an-toerana, ampitahorina sy rahonana amin’ny asany”. Izay ny fanehoan-kevitry ny depiote avy amin’ny fanoherana, ny depiote voafidy tamin’ny […]
Fongory izay fahavalon’ny tany
Raha ny antontanisa farany navoakan’ireo sampandraharaha miandraikitra ny ady amin’ny kolikoly dia mihemotra i Madagasikara. Mirongatra amin’ny sehatra maro izany rangory fototry ny afo amin’ny fahalovan’ny fiarahamonina izany. Manao izay danin’ny kibony ireo manampahefana isan-tsokajiny. Manararaotra toy ny banga mihomehy alina ny trondro vaventy. Tsy maty manota. Mandroba dia lasa […]






