Other News

Fankatoavan’ny HCC: Noferana ireo afaka mifidy ny loholona

Tsy ho tahaka ny teo aloha intsony. Nankatoavin’ny HCC, ny herinandro teo, ny fanitsiana nentin’ireo parlemantera momba ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny fanendrena ireo loholona. Nambaran’ny etsy Ambo­hidahy, araka ny fanapahana noraisin’ireo mpitsara avo, fa mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana izany. Misongadina ao anatiny fa tsy ho anisan’ireo mpifidy lehibe […]

TSELATRA

Olona dimy voasambotry ny polisy noho ny harom-paosy teto Antananarivo, ny faran’ny herinandro teo. Tratra nisinto-mahery teo amin’ny fiantsonana Vatobe 67Ha, afakomaly, ny roa tamin’izy ireo. Nangarom-paosy teny Ambodin’ Isotry, ny sabotsy teo, kosa ny iray hafa. Voasambotra teny Ambohimanarina, ny alin’ny 22 aogositra 2025 teo ny iray ambiny. Olona […]

Ankadivory Ilafy : Jiolahy miisa efatra nandroba

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tetsy Anka­divory Ilafy, afakomaly alina tamin’ny 12 ora tany ho any. Niditra sy nandroba tao amin’ny tokantrano iray voalohany, eny an-toerana, ny jiolahy nirongo fitaovam-piadiana sy nisaron-tava miisa efatra. Nosokirin’izy ireo ny varavarana, nandratra olona tao an-trano izy ireo vantany vao tafiditra. Naratra mafy teo amin’ny tanana […]

Lalam-baovao Tsarasaotra: Mpitondra moto tra-doza

Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona indray teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra, ny alin’ny alahady 24 aogositra teo, tamin’ny 7 ora. Mpitondra moto scooter marika Kymco avy amin’ny lalana Tsarasaotra nikasa hihazo an’Ivato no nidona tamin’ny fiara Starex iray teo alohany. Potika tanteraka ny moto nentin’ilay lehilahy tra-doza. Naratra mafy vokatry ny dona […]

Kaominina Tsiafahy : Vehivavy naolana sady novonoina

Fatim-behivavy hitan’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ambohimiadana Avaratra, kaominina Tsiafahy, omaly maraina. Naolana ary novonoina tamin’ny fomba feno habibiana izy. Nokarohin’ny fianakaviany nanomboka ny sa­botsy 23 aogositra lasa teo. Hita tao amin’ny fokontany Ambohimiadana Avaratra, kaominina Tsiafahy, ny vehivavy iray, omaly maraina ta­min’ny 8 ora sy sasany. Tsikaritry ny fokonolona […]