Other News

Safidy : “Fanilihana olona ny anto-bolan’ny firotsahan-kofidina loholona”

“Nanaitra ny sain’ny maro ny hoe 60 tapitrisa Ar ny anto-bola amin’ny fifidianana loholona. Folo taona lasa, 450 000 Ar izany; tamin’ny 2020, 15 ta­pitrisa Ar; izao, miakatra ho 60 tapitrisa Ar.” Io ny fanehoan-kevitry ny mpitondra tenin’ny firaisamonina sivily Safidy, Razanamahefa Désirée Marie Stella, teny Ambatonakanga, omaly, momba ny fampiakarana […]

Tsy misangy ny natiora   

Manahirana be ihany ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’izao fotoana izao. Tena efa iainana sy tsy azo ialana izany. Nampimenomenona ny rehetra ny hatsiaka be narahina erika matevina, omaly. Izay nizitizity vao maraina aloha dia niaritra ny hirifiry hatrany anaty taolana. Tena hoe nivadika ankitsirano izany. Nitarika karazan’aretina avy hatrany ho an’ny […]

ONG Tolotsoa : “Mila fanazavana ny tsy famerenana fifidianana kaominaly”

Mbola tsy tanteraka, hatramin’izao, ny famerenana ny fifidianana ben’ny Tanàna amin’ireo kaominina sasany. Mila fanazavana ny momba izany, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny ONG Tolotsoa. “Amin’izao fotoana izao, efa navoaka ny fankatoavan’ny go­ver­ne­manta ny datim-pifidianana loholona amin’ny 11 de­sambra, naroson’ny Ceni. Mi­dika izay fa tsy handeha alohan’izay fifidianana loholona izay […]

TSELATRA

Ao anaty fanadihadiana tanteraka ny BC mahakasika ny nahafatesan’ireo Sinoa mianadahy, hita faty tao anatin’ny toeram-pisakafoana Venus, etsy 67 Ha Atsimo, afakomaly. Hita faty nihohoka teo ambony fandriana moa izy ireo. Mbola tsy nisy ireo olona voasambotra sy voarohirohy tamin’io raharaha io. Fokontany telo no nahitana trano nirehitra tany Mananjary, […]

Sabotsy Namehana : Tsaho ny filazana fa hani-masaka nahafaty olona

Niely ka nampiteraka savorovoro ho an’ny mpanara-baovao tao anatin’ny tambajotran-tserasera facebook ny tranga fisiana fahapoizinana ara-tsakafo nateraky ny fihinanana hani-masaka tao Sabotsy Namehana, omaly. “Tsy marina velively ny vaovao miely momba io tranga io”, raha ny fanazavana notaterin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny kaominina ao an-toerana. Tovolahy 21 taona namoy ny ainy, […]