Hiakatra an-tsehatra, anio, ny Malagasy, Nambininjanahary Mostepha, hiatrika ny fifaninanana “Word Games”, taranja kick-boxing, tontosaina any Chine. Eo amin’ny taranja K1 Rules, sokajy latsaky ny 63,5 kg, no hifaninanany ary efa tena vonona tanteraka ity Malagasy mpikatroka ity hiaro ny voninahi-pirenena sy ny voninahitr’i Afrika. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, […]
Other News
Echecs Analamanga : Tsy maintsy hatao amin’ity taona ity ny fifidianana
Nanamafy ny tsy maintsy hanaovana ny fifidianana eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja Echecs, ny mpikambana eo anivony, ny sabotsy lasa teo, teny Analakely. Nisy ihany koa ny fanovana ny sata nataon’izy ireo. Nanatanteraka fivoriambe tsy ara-potoana ny ligin’Analamanga, taranja Echecs, ny faran’ny herinandro teo, tetsy Analakely. Fijerena sy fandaniana ny fanovana […]
VAOVAO TAMBATRA
Mitohy ny fitotonganan’ny Ariary, miohatra amin’ny sandambola euro. Araka ny tarehimarika navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), tafakatra 5 131 Ar ny sandan’ny 1 euro, omaly, raha 5 123 Ar ny 8 aogositra, ary 5 091 Ar ny 1 aogositra. Tsy mihetsika firy, fa manodidina ny 4 438 Ar ny 1 dolara, omaly, raha 4 456 […]
“Voie rapide” Ivato: Azo andehanana ny Rond point Don Bosco hatreny Andranotapahina
Efa azo ampiasain’ny besinimaro, nanomboka omaly 11 aogositra, ny ampahan-dalana mirefy 4 km, manomboka eo amin’ny fihodinana (rond point) Ivato Don Bosco, hatreny amin’ny fihodinana Andranotapahina. Mampifandray mivantana ny lalam-pirenena faha-4 sy ny arabe Lalan’ny Frankofonia Ambohitrimanjaka mitohy eny Andohatapenaka ity lalana vaovao ity. Malalaka ny arabe, mirefy 12 metatra […]
Fizahantany : Miara-miasa i Maorisy sy i Madagasikara
Noraisin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA), Dewa Viviane, omaly, teny amin’ny toeram-piasany, ny ambasadaoro vaovaon’i Maorisy, Bruno Cunniah, miasa eto amintsika. Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany iombonana ny fihaonana, voafaritra ao anatin’ny faritra ranomasimbe Indianina, ny « iles Vanilles ». Manampy izany, ny […]






