Nisy namaky ny trano misy ny biraon’ny Fitaleavana misahana ny fikarohana sy ny haivao (DRI) eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny marain’ny sabotsy 5 jolay 2025 lasa teo. Novakian’ny jiolahy ny efitrano roa ary lasan’izy ireo tamin’izany ny ordinatera (Unité central) izay nitahiry ny angon-drakitra. Very […]
Other News
Naratra voadaroka ny tompon-trano : 40 tapitrisa Ariary voaroba teny Tanjombato
Very ny 40 tapitrisa Ar tao amin’ny fianakaviana iray, afakomaly alina, teny Tanjombato. Naratra mafy, voadaroky ny jiolahy ny raim-pianakaviana tompon-trano. Tsy mitsaha-mirongatra ny fanafihana mitam-piadiana tato ho ato. Ahitana izany matetika ny eny amin’ny distrika Atsimondrano. Notafihan’ny jiolahy miisa 12, misaron-tava sy mirongo fitaovam-piadiana (basy sy sabatra), ny tokantrano […]
Mampiahiahy ny resaka fandriampahalemana: Nampiantso ny OPJ rehetra ny Tonian’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina
Ho fanamafisana ny resaka fandriampahalemana, nampivory ny OPJ misy rehetra ny Toninan’ny fitsarana ambaratonga voalohany. Ankoatry ny mahazatra amin’ny asan’ny polisy, zandary, dia nampiantso ireo sampandraharaha rehetra ahitana OPJ (Officier de police judiciaire), ny sampandraharahan’ny ala, ny Fandintseranana, ny Indositria sy ny varotra, ny Fahasalamam-bahoaka, ny Tonian’ny fampanoavana anivon’ny fitsarana […]
Andonaka Ambalavao: Nahavokatra mangahazo 200 taonina ny fonja
Miara-miasa ny minisiteran’ny Fitsarana (Minjus) sy ny Sekreteram-panjakana misahana ny fahaleovantena ara-tsakafo (Sesa). Natao ny 3 jolay teo ny santa-bokatra tany amin’ny tanimbolin’ny Fonja, any amin’ny kaominina Andonaka, distrika Ambalavao, faritra Matsiatra Ambony. Nahatratra 200 taonina ny mangahazo vokatra tamina velaran-tany 130 ha. Notsipihin’ny Sekereteram-panjakana, Razanamahefa Tahian’Ny Avo, fa tanjona […]
VAOVAO TAMBATRA
Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny famatsian-tsolika eto Antananarivo sy ny manodidina. Efa hita eny amin’ny tobin-tsolika avokoa ny gazoala sy ny lasantsy. Antenaina fa hitohy izany ary hihena tsikelikely ny filaharan’ny fiara, ka hizotra araka ny tokony ho izy ny fifamoivoizana, indrindra ny fitateram-bahoaka sy ny entana. Voasolo « béton armé » […]







