Tsy mbola ampy ny isan’ny teknisianin’ny ala eto amintsika. Izay no anisan’ny antom-pisian’ny foibem-piofanana. Miisa 60 ny teknisianin’ny ala nivoaka, ny 4 jolay teo, teny amin’ny Foibem-pirenena fanofanana ho teknisianin’ny ala (CNFTF) Angavokely Manjakandriana. Notokanana ihany koa ny fotodrafitrasa vaovao ho an’ny toeram-piofanana. Mizara roa ireo mpiofana. Nanaraka fiofanana mitohy […]
Other News
TARATRY ny KANTO
Mitoetra ny lazan’ny tarika Iraimbilanja. Feno hipoka ny Food Courts La City ny alin’ny zoma teo. Porofo indray iny fa mbola be mpankafy ry Niry sy ny tariny, ary tsy mbola ho ato ho ato no ho lefy izany. Nahitana karazan-taona tsinona, fa tsy hoe ireo mitovy taona amin-dry zalahy […]
Misaona ny hiragasy: Nodimandry i Zozy, Sahondrafinina zanany
Maloka indray ny tontolon’ny hiragasy… Nodimandry ny sabotsy teo, teo amin’ny faha – 67 taonany, Razafindranaivo Sahondrafinina, na i Zozy, ho an’ireo akaiky azy. Filohan’ny tropy Sahondrafinina Zanany Fenoarivo no nahafantaran’ny maro azy, zanakavavimatoan’i Sahondrafinina Reniny, vady navelan-dRa-Petit avy ao Andohavary, izay filohan’ny federasion’ny mpanao hiragasy eto Madagasikara teo aloha […]
Manohy ny mpandimby: Hankalaza ny faha-60 taona ny Ny Voanio
Raha ny taona nanombohan’ny tarika, ny 1965, feno 60 taona izany ny tarika Ny Voanio. Hira tranainy, kalon’ny fahiny, toa ny vao omaly nefa mbola heno amin’izao fotoana ihany. Ny antony? Nahay nametraka holovaina ny tarika, ary nifandovana izany. Feno 60 taona izao ny nisian’ny tarika Ny Voanio. Nanamarika ny […]
Harembakoka : Mpikaroka roa no nahazo ny tohana Yavarhoussen
Sarotra ny fandidiana. Tsy maintsy samy nomena ny tohana Yavarhoussen ireo mpikaroka roa samy nahazo ny laharana voalohany. Midika ihany koa izany fa misy mpiahy ary misy mpiketrika ny tontolon’ny harembakoka sy ny kolontsaina eto Madagasikara. I Kenny Saraely, Malagasy mpianatra mpikaroka amin’ny sehatry ny mozika. I Quentin Clémence, teratany […]







