Voahosotra ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja Jiu-jitsu Breziliana i Chakif sy i Tafita. Fahatelo kosa i Christian tamin’ny fifaninanana natao tany Abu Dhabi, omaly. Vokatra tsara no azon’ny solontena malagasy miatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany taranja Jiu-Jitsu Breziliana, any Abu Dhabi. Voahosotra ho tompondaka, Rafidinomena Toavin-Tafita, teo amin’ny Men’s […]
Other News
TARATRY ny KANTO
“ATF”, hira vaovaon’i Nate Tex sy i Bolo. Nivoaka ny faran’ny herinandro teo ity fampiaraham-peo, izay inoana fa hanamarika fiaraha-miasa vaovao ihany koa. “Atomboko amin’ny tenako ny fiovana” ny fanalavana azy, izay miresaka lohahevitra iray am-pon’i Nate Tex, ka nifampizarany tamin’i Bolo mba hamoaka hira tsotra fa misy lanjany. Efa […]
Tarika Johary : nampiaina an’i Barijaona sy ny Kintana Telo
Anisan’ny hiran’i Barijaona sy O’Suzah nanombohana ilay fampisehoana notontosain’ny tarika Johary tetsy amin’ny CCI Ivato, omaly, izay. Fifandrifian-javatra ve raha narahin’ny hira «Antananarivo »? Ny azo itompoana teny aloha dia raitra ny seho, araka ny nandrasan’ireo mpankafy mihitsy. Kalon’ny omaly, fa mitoetra laza ankehitriny. Saika niaraha-niredona avokoa ireo hira 50 […]
« Our Generation » : nihazo an’i Russie i Filamatra Matokia
Mitodika any aminy ny Malagasy rehetra maneran-tany. Lasa nihazo an’i Kazan, any Russie, i Filamatra Matokia Randriamampionona. Izy ilay tovovavikely hisolo tena an’i Madagasikara amin’ilay fifaninanan-kira “Our Generation”, izay hatao any an-toerana, ny 16 novambra izao. Ilay hirany “Iray” no entin’i Filamatra matokia hifaninana mandritra izany hambaboana ireo mpitsara. Fitiliana […]
“Miss Earth 2024”: lasan’i Jessica Lane ny laharana voalohany
Taorian’i Drita Ziri, avy any Albani ny taona 2023. I Jessica Lane indray no nahazo ny satro-boninahitry ny “Miss Earth” taona 2024. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Philippines, ny dingana famaranana ho an’ny fifaninanana “Miss Earth 2024”. I Jessica Lane, tovovavy nisolo tena an’i Australia no voahosotra ho mpandresy. […]






