Trano iray kilan’ny afo teo Soanierana, omaly maraina tamin’ny 3 ora sy 26 minitra. Efitra roa tamin’io trano io no hotohoton’ny afo tanteraka. Tonga ara-potoana ny mpamonjy voina ka voafehy ny fiparitahan’ny afo. Tsy nisy aina nafoy. Mpitondra moto tra-doza teny Marais Masay, omaly hariva. Nitsirara teo afovoan’ny arabe, tsy […]
Other News
Ahina ho namono tena : lehilahy hita faty nihantona tamin’ny hazo
Raim-pianakaviana iray hita faty nihantona tamin’ny tady, nikirozaroza tamin’ny hazo mirefy eo amin’ny dimy metatra eo ho eo, tao amin’ny fokontany Ambodivandrika, kaominina ambanivohitr’Ilaka Atsinanana, distrikan’i Vatomandry, ny sabotsy hariva teo. Nahazo fanairana avy amin’ny sefo fokontany Ambodivandrika ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ilaka Atsinanana momba ny fisian’ity raim-pianakaviana […]
Fanafihana mitam-piadiana : maty voatifitry ny polisy i Ndaty
Lavon’ny balan’ny polisin’ny UIR teny Antsalovana 67 ha, ny sabotsy tamin’ny 9 ora sy 30 mn, ny jiolahy raindahiny sady mpamerin-keloka, fantatra amin’ny anarana hoe i Ndaty. Malaza ratsy amina halatra mitam-piadiana mahery vaika i Ndaty, araka ny fanazavan’ny polisy. Nahazo loharanom-baovao mialoha ny polisy momba ny fisiana andian-jiolahy mikononkonona […]
Savorovoro tao Sakaraha : Polisy efatra naratra, nalain’ny fokonolona an-keriny
Naratra mafy ireo polisy efatra niharan’ny fitsaram-bahoaka teo am-panatanterahana ny asany, tao Sakaraha, omaly. Nohazonin’ny fokonolona niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana izy ireo. Naratra avokoa ireo polisy miisa efatra vokatry ny fitsaram-bahoaka tao amin’ny kaominina Miary Lamatihy, distrikan’i Sakaraha, omaly. Nisambotra olona tao amin’ny tanànan’Ankilimena ireo mpitandro filaminana ireo. Niaraka tamin’ny olon-tsotra […]






