Other News

TSELATRA

Lavon’ny balan’ny zandary teny Ambohiman­ga Atsimo, ny alakamisy 30 jolay 2026 teo, tamin’ny 11 ora atoandro, ny dahalo miisa telo. Azo sambo-belona ny dimy hafa, afakomaly tamin’ny 12 ora alina. Nikasa hanafika ny tanàna tany an-toerana ny dahalo manodidina ny 15 isa. Nirongo fitaovam-piadiana sy zava-maranitra ary sakaosy izy ireo. […]

Anosizato : Vehivavy iray hita faty tao amin’ny reniranon’Ikopa

Nahitana fatim-behivavy iray, sahabo ho 30 taona teo ho eo, tetsy amin’ny reninaranon’Ikopa Anosizato, afakomaly ta­min’ny 1 ora sy 30 minitra. Tsikaritry ny olona teny amin’ny manodidina natsingevan’ny rano tao anaty tsikafona teny amin’ny tetezan’ny Anosizato ny razana. Nitangorona nitazana sy nijery izany ny mponina, vantany vao nahita ny tranga. […]

Fanaovana sorona sy mosavy : Fikambanana miafina nahitana vatam-paty sy karana

Nanao bemidina teny amin’ny foiben’ny Loge Étoile Australe Ivandry ny fitsarana. “Nahitana sabatra, vatam-paty nisy karana, fomba fanaovana sorona mainty teny an-toerana”, hoy ny tonia mpampanoa lalàna. Olona telo naiditra am-ponja. Manoloana ny firongatry ny halatra olona sy ny fahitana fatin’olona teto amin’ny Nosy, nandray ny andraikiny teo anivon’ny fitsarana. […]

Tetikasa Produir : Notsidihina ny fonenan’ireo mpifindra monina

Tonga eto amintsika, mijery ifotony ny fizotry ny fandaharanasa Produir I sy ny II, ny avy amin’ny mpamatsy vola. Mitarika izany ny mpitantana misolo tena ny Vondrona afrikanina (UA) ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Banky iraisam-pirenena, Harold Tavares. Tanjon’ny fidinana ifotony nataon’izy ireo, ny alakamisy teo, ny handinihina ny vokatra efa azon’ny […]

CFME andiany faha-10 : Hifantoka amin’ny fampananana asa ny tanora

Hotanterahina ny 4 ka ha­tramin’ny 8 aogositra, eto Anta­na­narivo, ny andiany faha-10 amin’ny «Carrefour de la formation, des métiers et de l’emploi (CFME)». Hetsika karakarain’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT). Lo­ha­hevitra amin’ity taona ity ny hoe «Ta réussite à portée de main» (Manakaiky anao ny fahombiazanao)». Hisy fihaonambe sy atrikasa ao […]