Haharitra 24 volana ny fanamboarana ny tetikasa Flyover eny Anosizato entina hamahana ny olan’ny fifamoivoizana sy ny fitohanana eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny fanamboarana ny tetikasa Flyover eny Anosizato. Hetsika notarihin’ny ny Filohan’ny fanavaozana, ny Kolonely Randrianirina Michaël. Haharitra 24 volana ny tetikasa entina […]
Other News
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina etsy amin’ny Acsa Ambohidahy, manomboka anio hatramin’ny 15 aogositra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy, sokajy rehetra. Atleta maherin’ny 200 eo no hifanintsana eny an-toerana, tafiditra anatin’ireo hanaovana fifantenana ny handrafitra ny ekipam-pirenena izay mendrika amin’izany. Navoakan’ny pejin’ny Al Merrikh Soudan, afakomaly, tao amin’ny […]
Kitra – Divizionina faharoa : Hifanintsana any Mahajanga ny solontenan’Analamanga
Hatao ny 5 hatramin’ny 15 aogositra ho avy izao ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, divizionina faharoa nasionaly (D2 Nasionaly). Ahitana ekipa 24 ny mpifaninana ary nozaraina vondrona enina, misy ekipa efatra avy, izy ireo. Any amin’ny faritr’i Mahajanga, sokajy A, ny solontenan’ny ligin’Analamanga, Disciples FC Espoir, […]
Karate-Afrika 2026 : Miantso fanohanana ny federasionina
Anatin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Alger, ny 7 hatramin’ny 13 septambra izao, ny ekipam-pirenena malagasy, taranja karate. Mavesatra ny hoenti-manana amin’izany satria mpikatroka 18 no vonona handray anjara. Izany indrindra no hanaovan’ny Federasionin’ny karate-do malagasy antso, miaraka amin’ny fikambanan’ny ray aman-dreny sy ireo atleta, amin’ny hanohanana azy ireo. […]
Tsipy kanetibe – «Tirs de précision»: Hiatrika ny manasa-dalana i Madagasikara
Hiditra amin’ny tsontsorimamba isarahana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy “junior”, lahy sy vavy, anio. Anisan’ireo hiatrika ny manasa-dalana eo amin’ny “tirs de précision” ny Malagasy ka hifanandrina amin’i Thaïlande. Mitohy hatrany ny vokatra ho an’ny ekipa malagasy sokajy “junior”, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka […]






