Hiditra amin’ny dingana voalohany, hiadiana ny ho tompondakam-pirenena, ny Run ny faran’ny herinandro ho avy izao. Hifampitana ao amin’ny sokajy Prorun ireo fiara matanjaka sy ny mpanamory kalaza amin’ity fifaninana ity. Hotanterahina eny amin’ny «piste» Arivonimamo, ny alahady ho avy izao, ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara […]
Other News
FANTINA sy FINTINA
Anisan’ny fehinkevitra nandritra ny fikaonandohan’ireo mpahay lalàna, tetsy Besarety, omaly, ny fanimbazimbana ny lalàna amin’izao fotoana izao. “Tsy azo ekena ny miraviravy tanana”, hoy izy ireo. Mivonona ny handeha amin’ny alalan’ny lalàna izy ireo hanasitranana izao manjo ny firenena izao. Anisan’ny nitarika izany ny Pr Ranjeva Raymond. Naneho ny fanohanany […]
Fandresena lahatra ny mpifidy: tsipahin’ny KMF/Cnoe ny fizaram-bola
Namoaka fanambarana manoloana ny tokony hametrahana fifidianana tan-dalàna ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, omaly. Hentitra izy ireo fa mitsipaka marindrano ny fanohintohinana ny fahalalahan’ny rehetra hisafidy amin’ny fizarana vola sy fitaovana hahazoana ny safidiny. “Tahirin-kevitra momba ny fifidianana ihany no azo zaraina mandritry ny propagandy, araka ny voalazan’ny lalàna”, hoy izy […]
Fanahy fa tsy hery
Olana iray goavana mbola sedrain’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fifehezana ny tsy fandriampahalemana. Efa azo tsapain-tanana ny ezaka vita eny an-kianja saingy mbola lavitra ny fanamby. Efa maro ny dinidinika nizahana vahaolana momba izany. Betsaka ny fehin-kevitra nivoaka. Asa sy fampiharana sisa andrasana. Maromaro ny hetsika manokana fampandrian-tany natao izay. […]
Mialoha ny fampielezan-kevitra : handray fepetra amin’ireo mihoa-pefy ny HCC
Mbola nanamafy ny fampitandremany. Mitohy ny atrikasan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) nampahafantarana ireo fepetra sy ny lalàna tokony harahina. Anisan’ny nentin’izy ireo tamin’izany ny fampahafantarana amin’ireo mpirotsa-kofidina sy ny mpanohana azy ary ny fiarahamonina sivily ny amin’ny fifanolanana momba ny raharaham-pifidianana sy ny dingana tsy maintsy arahina amin’ny […]






