Nosamborin’ny polisy ny mpamily sy ny resevera iray, omaly, teny Ankaraobato. Mamo teo am-pitondrana fiara fitateram-bahoaka izy ireo. Mpandeha iray no nilaza tamin’ny polisy fa mamo ny mpamily sy ny resevera ka ahina hampidi-doza ny fiara entin’izy ireo. Nametraka sakana ny polisy ka noraisim-potsiny izy ireo, teo Ankaraobato . Nifanehatra […]
Other News
Toamasina : jiolahy roa indray maty voatifitry ny polisy
Nanakoako ny basy nandritra ny fifampitifirana teo amin’ny polisy sy ny jiolahy, tao amin’ny fokontany Ambolomadinika, Mangarivotra hatrany Morarano sy Ambalakisoa, afakomaly alina. Vokany, jiolahy roa lavon’ny balan’ny polisy. Jiolahy iray hafa kosa azo sambo-belona. Nomarihin’ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy fa monina ao Ambolomadinika, Toamasina, ity jiolahy tratra ity. Miasa […]
Valo lahy nanafika: vola 6 hetsy sy ordinatera voaroba
Norobain’ny jiolahy valo lahy ny tokantrano iray tao Andohony, fokontany Antsahabe sy kaominina ambanivohitra Bongatsara, ny alin’ny alatsinainy 22 avrily teo. Nosokirin’ireo olon-dratsy ny varavaram-by tao ambony rihana saingy tsy voasokany. Nambanany basy avy eo amin’ny varavarankely ireo tompon-trano ka voatery namoha ny varavarana. Tafiditra tao an-trano izy valo lahy […]
Anosizato: jiolahy nitam-basy lavon’ny zandary
Jiolahy nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana lavon’ny mpitandro filaminana tao Anosizato, ny alin’ny alatsinainy 22 avrily teo. Nahatrarana basy vita gasy teny aminy. Jiolahy saika hanao fanafihana mitam-piadiana lavon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Fenoarivo tao Anosizato, afakomaly alina, tamin’ny 10 ora. Naharay loharanom-baovao ny zandarimaria miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Anosizato […]






