Mois : avril 2023

Fikambanana Tao : manentana hiady amin’ny fanolanana

Manao hetsika mitety vohitra amin’ny fandehanana an-tongotra sy ny fitaingenana bisikleta, manentana ny mponina hiady amin’ny herisetra ara-pananahana atao amin’ny ankizy ny fikambanana Tao. « Run and bike, Aoka izay ny fanolanana» ny anaran’ny hetsika fanatanjahantena mi­fan­draika amin’izay. Man­dri­tra ny fitsidihana koa no hanangonana vola avy amin’ny malala-tanana hanohizana ny asa […]

Cntemad : havadika ho oniversite nomerika

Havadika ho oniversite nomerika ny ivontoeram-pampianarana ampitain-davitra amin’ny fampianarana ambony (Cntemad) eto Ma­dagasikara. Nisy atrikasa na­tao tany Paris, nandritra ny roa andro, ny volana marsa teo namolavolana vovonan’ny oniversite nomerika afrikanina ka nandray anjara ny delegasiona malagasy. Nodinihina nandritra ny fihaonana ny fananganana antontan-kevitra iraisana momba ny fitantanana ireo mpampiofana, […]

Boriborintany IV : hisitraka fitsaboana maimaim-poana ny mponina

Hotanterahina ny 4, 5, 6 ary 7 avrily izao eny amin’ny fiantsonan’ny taxi-be Telma Anosibe Angarangarana ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka ho an’ny boriborintany IV. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny, hisy koa ny karazana fitiliana mahazatra izay mahasarika ny olona. Anisan’izany ny fitiliana diabeta, hahafantarana ny tahan’ny siramamy anaty ra. […]

Vatsim-pianarana: Oniversite telo indray mitokona

Mafana ny tontolon’ny fampianarana ambony nanomboka omaly. Mitaky vatsim-pianarana ny mpianatra. Nanao fitokonana indray miaraka ny mpianatry ny oniversiten’i Fianarantsoa sy Mahajanga ary Toamasina. Nanao fitokonana fitakiana vatsim-pianarana ny mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Maha­janga (Ambondrona) sy Fia­narantsoa (Andrainjato), oma­ly. Na ao anatin’ny fotoam-pialantsasatry ny paska aza ny fampianarana ambony, mandeha […]

Fampirantiana chocolat: “Fampiroboroboana ny fihariana”

Maherin’ny 3500 ireo olona nijery fampirantiana momba ny chocolat (salon du chocolat) tao amin’ny Carl­ton, ny faran’ny herinandro teo. Azo ambara fa nahomby tanteraka. Fampirantiana no­ka­rakarain’ny Fikambanana Wednesday Morning Group (WMG), tohanan’ny banky BNI Madagascar. Ny roa voafidin’ireo mpitsara nahafa-po indrindra dia ny tranohevan’ny Sambika sy Gourmet. «Ny tombontsoa azo […]