Mois : mai 2023

Mangingina…hafahafa !

Mangingina toa mifono toe-javatra hafahafa ny raharaha politika eto amin’ny firenena, ankehitriny. Iaraha-mahalala anefa fa mihenjana sy mamaivay izany any ambadika rehetra any. Ampahany ihany no hita sy voizin’ny sasany eny amin’ny tambajotran-tserasera. Efa samy miketriketrika ny fomba rehetra hampiodinana ny lamasininy avokoa ny mpisehatra politika. Ny eo anivon’ny fitondram-panjakana, […]

Ambohibarikely Anosibe : voatsatoka antsy teo amin’ny vavany i Sitrakiniaina

Valifaty! Tsy fahazakana zava-mahadomelina mahery vaika! Tovolahy iray 16 taona antsoina hoe i Nahoma Sitrakiniaina no notsatohana dimy lahy antsy teo amin’ny vavany teny Ambohibarikely Anosibe , ny talata hariva teo. Nampivarahontsana ny fahitana ny zava-misy satria nitsatoka teo amin’ny vavany sy ny orony ny antsy ka mbola niraikitra teo […]

Aparitaka ao Ambanja : roa lahy nahatrarana vola sandoka

Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana ireto lehilahy roa voarohirohy noho ny fitondrana vola sandoka tao Ambanja, omaly, ireto. Ny polisy ao amin’ny kaomisaria Ambanja no nahasambotra azy ireo. Loharanom-baovao no azon’ny polisy momba ny fisiana lehilahy roa manaparitaka vola sandoka ka nahafahana nisambotra azy ireo. Natao ny vela-pandrika ka tratra […]

Hosoka sy fanaovana hosoka : teratany karana mpivady eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana

Niakatra fampanoavana , afakomaly, ny teratany karana mpivady voarohirohy ho nanao hosoka sy fanaovana hosoka ary tsy nandoa vidin-dranon’ny Jirama nandritra ny dimy taona. Nanofa trano tao amina trano iray eny Anosiva­vaka Ambohimanarina ity teratany karana ity, ny taona 2018 ary efa nisy ny fifanarahana vita amin’ny hahafahan’izy ireo manofa […]

Ankoatra ny basy : tratra ny olona iray mpitahiry omby halatra

Tsy handefitra mihitsy! Dahalo iray mpitahiry sy mpandray omby halatra no tratran’ny zandary tao Ampa­­nihy Andrefana, afakomaly. Nahi­tam-bokany ny fidinana ifotony nataon’ny zandary manao hetsika fampandriana fahalemana amin’iny faritra iny, tarihin’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zan­dari­maria Ampanihy Andre­fana, ny kapiteny Manan­tsoa Lanto. Tao amin’ny kaominina Beahitsy, distrikan’Ampani­hy Andre­­fana no nanaovan’izy ireo hetsika manokana noho ity toerana […]