Mois : octobre 2023

Collectif des travailleurs : miantso fifampi­dini­han’ny mpiasa malagasy rehetra

Hikarakarakara fivoriambe iombonana (AG) ny vondron’ny mpiasa malagasy “collectif des travailleurs” ny zoma izao, etsy amin’ny Live Hotel Andavamamba. Miantso ny mpiasa malagasy rehetra miankina na tsy miankina, ireo tomponandraikitra rehetra eto amin’ny firenena, ny miaramila misotro ronono, ny mpiara-mikatroka…izy ireo mba hanatrika izany. Tanjona ny hijerena vahaolana mahakasika ny […]

Toamasina : maty voafaokan’ny fiara ilay vehivavy

Nipitika rehefa voadonan’ny fiara nirimorimo, vehivavy iray namoy ny ainy, tao Ambalamanasy, ny alatsinainy 16 oktobra. Maty teo no ho eo, voadonan’ny fiara nandeha mafy ny vehivavy iray niampita arabe, tao amin’ny lalam-pirenena fahadimy, teo Ambalamanasy mihazo ny seranam-piaramanidina,  afakomaly tamin’ny 12 ora sy 30 minitra. Niaraka tamin’ny na­many maromaro […]

INDRAY MIJERY

Hitandroana ny fahasalamana, misy fihetsika tsara ho fantatra manoloana ny vanim-potoana ma­fana. Ilaina ny misotro rano madio matetika, 1,5 l isan’ andro, ny mitondra fitafiana maivana sy satroka. Tokony hatao azon’ny rivotra tsara ny trano fonenana sy ny toeram-piasana ary aleo mipetraka amin’ny toerana maloka sy mangatsiatsiaka. Zava-dehibe ny fahadiovan’ny […]

Fanentanana fanoherana: Itrangana herisetra ny fanofanana teknika

Nisy hetsika fanentanana ho fanoherana ny herisetra ara-nofo eny anivon’ireo ivontoeram-panofanana teknika sy arakasa tany Antsirabe, tamin’ity herinandro ity ary hifarana anio. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa «Trade for decent work» karakarain’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny asa (OIT) ho an’i Madagasikara, Comores, Maurice ary Seychelles ny hetsika. Vatsin’ny Vondrona eoropeanina […]

Olana sosialy eny amin’ny Onivesite : mangataka vahaolana anatin’ ny 72 ora ny mpianatra

Miantso ny fanjakana hitondra vahaolana amin’ny olana sosialy mihatra aminy ny mpianatra amin’izao fotoana izao. Tsy mbola mitohy ny fampianarana. Manome 72 ora ny fitondrana hamahana ireo olana samihafa miseho eny amin’ny oniversiten’ Antananarivo ny fikambanan’ ny mpianatra amin’ny faritra 23, araka ny fanambarana nataon’izy ireo, omaly. Sin­ganiny amin’izany ny […]