Namoaka fanambarana, manoloana ny toe-draharaham-pirenena, mifandraika amin’ny fiarovana ny zon’olombelona, ny eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny zon’olombelona (CNIDH), omaly. “Aoka atsahatra ny teny sy fihetsika feno fihantsiana ka miteraka fifandonana eo amin’ ny samy mpiray tanindrazana”, hoy izy ireo. Anisan’ny iantefan’ny antso ny fanjakana, olom-boafidy, Andrimpanjakana, mpanohana sy ny […]
Mois : octobre 2023
Depiote IRD: “Helohinay ny lahatenin-dRazanamahasoa Christine”
Nanao fanambarana ireo depiote maro anisa miaraka amin’ny tsy miankina, omaly. “Manameloka sy mitsipaka tanteraka ny lahatenin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, tamin’ny fanokafana ny fivoriana, ny talata teo izahay”, hoy izy ireo. Nohitsin’izy ireo fa tsy nifampierana sy tsy nifanekena ny nambarany. Tsy maneho ny hevitry ny depiote maro anisa […]
Fahamatorana fa tsy fahatahorana politika
Amin’ny fifidianana toy izao, tenenina mandrakariva ny hoe vahoaka tompon’ny teny farany, masi-mandidy, andriamanjaka. Mby aiza? Kibo mitsara tena ny tsirairay. Tena mahalala ny ataony sy izay fanapahan-keviny amin’izany ve? Na hoe avoivoin’ny rivotra fotsiny na manaraka ny onjany… Izay ironan’ny besinimaro no heverina sy ekena ho mety sy marina […]
Kandidà Andry Rajoelina: “Miketrika Tetezamita sy ny tsy hisian’ny fifidianana ny mpanohitra”
Nivahiny tamin’ny fahitalavira France24 sy ny RFI, ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina, omaly. Nohitsiny fa mitady ny fomba rehetra tsy ahatanteraka ny fifidianana ireo kandidà sasany. Nambaran’ny kandidà Rajoelina fa efa miroso amin’ny fifidianana ny firenena, taorian’ny namoahana ny daty sy ny fankatoavan’ny HCC ny filatsahan-kofidin’ireo kandidà. Tsy misy […]
vondron’ny kandidà 11: nihetsika ny any amin’ ny faritra
Samy nanao hetsika avokoa ny tany amin’ny faritra, omaly. Anisan’ny nahavory vahoaka marobe ny tao Imerintsiatosika. Diabe namakivaky tanàna, nentanin’ireo mpanakanto sy mpanao politika any an-toerana no nataon’izy ireo tamin’izany. Nitondra sorabaventy maneho ny fitakiana izy ireo. Anisan’izany ny fandravana ny Ceni sy ny HCC, ny fifidianana madio sy eken’ny […]




