Mois : octobre 2023

Fikambanana Sinoa eto Antananarivo : maneho ny safidiny amin’ny fifidianana

Mahatratra 1 000 mahery ireo sinoa mivondrona anatin’ ny fikambanana Sinoa eto Antananarivo, raha ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana, Sam James, tetsy Antsa­kaviro, omaly. Mizaka ny zompirenena malagasy avokoa ny ankamaron’izy ireo satria teraka teto Madagasikara. «Efa nanomboka ny taona 1940 no teto ny ray aman-dreninay», hoy ity filohan’ny fikambanana ity. […]

Fiatrehana ny fifidianana : nampirisika ny tanora ny Yols

Nanatanteraka hetsika fanentanana ny tanora hifidy teny ankadikely Ilafy, ao amin’ny distrikan’Avaradrano, ny sabotsy 30 septambra teo, ireo tanora mpikambana eo anivon’ ny “Youth Leadership Seminary -Yols”. Tanora mpikambana avy amin’ny antoko politika maro samihafa izy ireo ary nahazo fiofanana manokana teo anivon’ny “Friedrich-Ebert-Stiftung – FES”. Niezaka nampitovy fijery ary […]

Prefet Antananarivo : “Aoka isika ho tony sy ho mailo amin’ireo mpanakorontana”

Nanambara mialoha ny herinandro teo ny perefet an’Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo ny amin’ny tokony hitonian’ny rehetra. Niantsoany fahamailoana koa izany. “Aoka isika ho tony sy ho mailo tsara amin’ ireo mpanakorontana”, hoy ny prefet, Anta­na­narivo, ny jeneraly Ra­velo­narivo Angelo, teny Tsim­ba­zaza, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny fiatrehana ny […]

Fikambanana Jamais mort : nankasitraka ny mpianatra mendrika ao Vangaindrano

Ny sabotsy lasa teo, nanolotra fanomezana ho an’ireo mpianatra mendrika ao amin’ny distrikan’i Vangaindrano ny fikambanana Jamais mort, izay tarihin’ny filohany, Mahavitara Sylvestre. Nihatsara ny vokatra teo amin’ny fanadinam-panjakana farany. Mpianatra avy eo amin’ny Zap mandrafitra ny distrikan’i Vangaindrano ireo nahazo fanomezana, ny nahazo naoty tsara indrindra fa nahazo ny […]

INDRAY MIJERY

Mbola manan-kery hatramin’ny anio ny filazana hamafin’ny rivotra eny an-dranomasina. Voakasik’izany ny morontsiraky ny faritra Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana, Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana, Fitovinany ary Vatovavy. Hitohy hatramin’ny rahampitso kosa ny filazana hamafin’ny alondrano ka mila mailo ny mpiandriaka. Mbola mitohy ny hetsiky ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Nisy […]