Misaona ny tontolon’ny taranja handball malagasy. Nindaosin’ny fahafatesana, ny talata lasa teo tany Toliara, i Debrockay Willy fantatry ny maro amin’ny solon’anarana Ralila sy i Fihenena Parfait. Izy mirahalahy ireo izay samy mpilalaon’ny Asco Toliara. Efa nandrombaka ny tompondakan’i Madagasikara niaraka izy mirahalahy. Hiditra an-tsehatra anio, ireo mpanao judo Malagasy […]
Mois : avril 2024
Handball – «Licence D IHF» : mpanazatra 18 miofana
Nanomboka omaly tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiofanana ho an’ireo mpanazatra, eo amin’ny taranja handball. Mahatratra 20 mianadahy ireo miatrika izany avy amin’ny ligim-paritra 7 eto Madagasikara. Mitarika izany ilay manampahaizana frantsay, avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena, i Alain Desserten. Lohahevitra maro no ifantohan’ny fampianarana. Manomboka any amin’ny fomba fitarihina […]
Kitra – Pureplay football league (PFL) : tsy azo jerena ny lalaon’ny 3FB sy ny Fosa Jr
Hiditra amin’ny ampahefa-dalana ny “Play-offs” ireo ekipa 8 hiady izay ho lohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra. Ankoatra ireo fihaonana telo, tsy azo atrehin’ny mpijery ny lalaon’ny 3FB Toliara sy ny Fosa Jr Boeny. Hotanterahina ny alahady 28 avrily ho avy izao, ny lalao ampahefa-dalana mandroso […]
Fiforonana rivodoza : ahina hanomboka amin’ny herinandro
Tsy mbola ahina ny hisian’ ny rivodoza amin’ity herinandro ity (22 hatramin’ny 28 avrily), fa mety hanakaiky an’i Madagasikara na dia mety hisy fiforonana rivodoza aza ao avaratra atsinanan’i Madagasikara ny faran’ny herinandro izao, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Amin’ny herinandro manaraka kosa (29 avrily hatramin’ny […]
Fipoahana teny Ampanotokana : navaozina ireo trano voakasika
Navaozina sy naverina amin’ny laoniny ireo trano rehetra lasibatry ny fipoaham-bato tao Manavoandro, fokontany Amboniavaratra, kaominina Ampanotokana, distrikan’Ambohidratrimo, afakomaly. Nitriatra ka simba ny tranon’ankamaroan’ny mponina teny an-toerana, vokatry ny fandalovan’ireo fiara lehibe miasa eo anivon’ny orinasa Tozzigreen. Tsy nitazam-potsiny, nidina ifotony ary nifampiresaka mivantana tamin’ny tompon-trano lasibatra ny solontenan’ny orinasa. […]




