Mois : avril 2024

Faha-50 taonan’ny OJM : nandalo sedra sy fotoan-tsarotra ny mpanao gazety

Notsiahivin’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), i Monica Rasoloarison, omaly, fa nametrahana ny firaisankinan’ny mpanao ga­zety tany amin’ny taona 1974 no antony nananganana ny holafitra. Teo ny teritery sy ny tsindry samihafa niseho tamin’ izany. “Nandalo vanim-potoana sarotra ny asa fanaovan-gazety tao anatin’izay 50 tao­na izay. Na teo amin’ny […]

Ramamimampionona Gérard : «Depiote izany tsy hoe izay manam-bola, taitaitra, fanta-bahoaka, be vava…»

Amin’izao fifidianana izao, olona toy inona no tokony ho depiote? Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimam­pionona Gérard: ” Olona mijoro izany, fa tsy hoe izay manam-bola, taitaitra, fanta-bahoaka, be vava.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Olona toy inona no tokony ho depiote? Ramamimampionona Gérard (-): Andrimpanjakana iankinan’ny firenena amin’ny fitantanana […]

TARATRY ny KANTO

Hisy sampan’ny Iarivo Art & Academy eny Antaninarenina. Sampana faharoa, ankoatra ny foibe eny Ampandrana izy ity. Hisokatra voalohany ny 8 mey izao izany toeram-pampianarana mozika izany. Fampiana­rana karazan-javamaneno, toy ny piano, gitara, gitara beso, lokanga, valiha, sns, no ao izay hosahanina mpampianatra matihanina. Anisan’ny hankalaza ny andro iraisam-pirenena ho […]

« Projet Ressources Educatives » : mitohy ny famoahana ny boky tohanan’ny tetikasa

Nitohy ny famoahana boky ao anatin’ny “Projet Ressour­ces Educatives de l’IFM”. Teny amin’ny Trano fivarotam-boky “Tsipika” Ambohija­tovo sy tany amin’ny “Fakra” Toamasina no nandray izany hetsika izany, omaly. Ny boky « Ny hafatr’ireo tavoahangy plastika », « Ariela sy Arialy » ary « Zaridainakeliko » no na­voaka nandritra izany. Ankizy mpianatra, Ray aman-dreny, mpampianatra, mpanoratra ary […]

Madajazzcar 35 taona : raikitra ny « Interna­tional Jazz Day »

Tafiditra ao anatin’ny fampivelarana ny jazz sy ny faha-35 taonan’ny hetsika “Madajazzcar”. Hotanterahina eto Anta­nanarivo ny 30 avrily sy any Antsirabe ny 1 mey izao ny fanamarihana ny « International Jazz Day ». Ho an’Antananarivo, ao amin’ny Le Point d’exclamation Louange Bar Analakely no hanatontosana ny seho, izay hizara roa. Fizarana voalohany, […]