Misy fikaonan-doha karakarain’ny mpampianatra mpikaroka sy mpampianatra mikaroka momba ny fahamaroan-teny sy ny fiantraikany eo amin’ny fiarahamonina, ny fampianarana ary ny sehatra maro mampiasa teny eny amin’ny Ecole normale supérieure (ENS), mandritra ny hateloana. Maromaro ny teny entina mifanerasera eto Madagasikara : teny malagasy ofisialy, teny frantsay, mandarin, kaomorianina…eny anivon’ny fiarahamonina, […]
Mois : avril 2024
Filohan’ny AJT Toamasina: «Aoka tsy hampirafesina ny samy mpanao gazety»
Hentitra ny filohan’ny Fikambanan’ny mpanao gazety ao Toamasina (AJT), Sabotsy Jose (Sajo), raha nanafatrafatra ny mpanao politika sy solontenam-panjakana. Nohitsiny fa aoka izay ny fampirisihana ny mpanao gazety miandany aminareo hankahala ny hafa tsy mitovy firehana aminareo. “Avelao izahay hitrandraka vaovao ataonareo ankalamanjana. Zony tanteraka izany na antsoinao na tsia […]
Fisamborana sy fanagadrana: mampiaka-peo ny vovonana RMDM
Anisan’ireo nanotrona ny minisitra teo aloha sady kandidà depiote, Ramalason Olga naterina teny Antanimora, afakomaly hariva ireo depiote Tim. Tsy nitsitsy fitenenana i “Del kely” tamin’izany. “Mampiahiahy izao tranga izao. Tena hizotra amin’ny demokarsia ve isika sa ho any amin’ny fitondrana jadona ?”, hoy ny fanontaniany. Notsiahiviny fa maromaro ireo […]
Fiahiahiana kolikoly : miisa telo ireo kandidà depiote voasambotra
Miisa telo, hatramin’ny omaly, ireo kandidà depiote noahiahiana amin’ny resaka kolikoly nosamborina na nampidirina am-ponja. Manomboka mampiaka-peo koa ireo kandidà sasany amin’ireo teritery samihafa Anisan’ny tsy afa-bela amin’izany ny kandidà tsy miankina, ao Vangaindrano, Mahavitara Sylvestre. Nampidirana am-ponja eny Antanimora ny 8 avrily teo noho izy ahina ho nanodinkodim-bola tamin’ny […]
Manakara : tsy hanohana kandidà Irmar ny RPSD
“Nanolotra anarana folo izahay, izaho no nitarika ny lisitra tamin’izany: tsy nisy tafiditra na ny iray aza. Tsy afa-nirotsaka koa aho, fa tsy afa-mitondra ny lokon’ny RPSD intsony fa efa ao anatin’ny vovonana manohana ny Irmar”. Io ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny RPSD izay ao anatin’ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i […]




